Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

TRAFIKANA TAOVA : Tra-tehaka ilay lehilahy nitondra voamaso roa sy nikasa hividy Varira

Lehilahy iray avy any amin’ny kaominina Salobe, distrika Betioky/Atsimo, no mitady varira hovidiana ao an-toerana. Avy hatrany dia natao ny vela-pandrika sy paikady hatrarana ity olon-dratsy ity, niarahana tamin’ireo vatan-dehilahy dinabe ao Bezaha niaraka tamin’ny zandary, ny afakomaly lasa teo. Vokany, tratra sy noraisim-potsiny ilay lehilahy antsoina hoe Razafy, monina ao Saloambany, kaominina Salobe, distrikan’i Betioky Atsimo. Tamin’ny fisavàna azy, dia nahitana voamaso roa miloko mavo tany aminy. Nidina ifotony avy hatrany ireo mpitandro filaminana lehibe, mba hisahana ny raharaha ka hanao izay hahatrarana ity tambazotra fivarotana maso sy fiserana varira ity. Natao andrimaso ao amin’ny tobim-paritra ilay lehilahy tratra. Misokatra ny fanadihadiana ary ho samborina izay olona voasaringotra anatin’izany.

 Vehivavy iray nongotana voamaso…

Vao ny 17 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro, dia nitrangana fikasana hamono olona, izay niteraka fangalana maso iray ny tao Befasy, fokontany Beadabo,  kaominina ambanivohitry Ambahikily, distrikan’i Morombe. Tokony tamin’ny 4 ora hariva, nahazo hazolava mahakasika izany ireo zandary manao fiambenana kizo ao Ambalamoa,fokontany ao ihany kaominina Ambahikily, ka avy hatrany dia nidina tany an-toerana. Vehivavy tokony ho 20 taona eo ho eo, monina eo Befasy no niharan’ny fanongotana voamaso. Araka ny fanadihadihana tsotsotra tamin’ilay niharam-boina, izy nantsaka rano teo amin’ny vovo, izay tsy lavitra ny tanàna no nisy olona iray tonga teo aminy nangataka rano. Tamin’izay indrindra no nanararaotra nitolona azy sy nitomboka antsy ity farany ka avy hatrany naka ny masony iray. Niezaka nanavotra ny ainy moa ilay vehivavy ka ny ilany masony havanana ihany no lasan’ilay olon-dratsy. Avy hatrany dia nanara-dia ireo zandary telo lahy miambina kizo ao Ambalamoa sy ireo fokonolona avy eo an-toerana, ka dian’olona roa no hita teo. Rehefa natao ny fanarahana ireo dian’olona ireo, ny dian’olona iray tsy hita rehefa avy ao Bekitoky, fokontany Ankilifolo ary tsy afaka tao. Ny iray kosa, tsy hita rehefa tao Belalitsy, fokontany Bekoropoky samy kaominina Antongo, distrikan’i Morombe. Avy hatrany, dia nentina haingana eny amin’ny hopitaly Tanandava ilay olona ka efa nahazo fitsaboana ary mbola velona soa aman-tsara. Mitohy ny fanaovana hazalambo ilay nangalatra voamaso.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer