PolitikaSongadim-baovaoSosialy

TRANGA MAHERIN’NY 800 ISANANDRO : Hirosoana ny fihibohana sa tsia ?

Raha tsy misy ny fiovana, dia ho fantatra anio indray ireo fepetra sy ireo fanapahankevitry ny Fanjakana Foibe manoloana ny firongatry ny valanaretina Covid-19 eto amintsika. Araka ny fanadihadiana natao, dia samy manana ny heviny ny olom-pirenena tsirairay eo anatrehan’ny tokony hirosoana amin’ny fihibohana na tsia manoloana izao fihanaky ny valanaretina izao.

Miparitaka izay tsy izy eto amin’ny Faritra Analamanga ny valanaretina covid-19, raha refesina amin’ny antontanisa nivoaka farany. Ity farany izay naneho fa avy eto Analamanga avokoa ny 701 tamin’ireo tranga vaovao voamarina miisa 832, azo tamin’ny fitiliana 1907 isa. Ny Tanàna an’ Antananarivo Renivohitra no tena voakasika mafy amin’izany, izay nahitana ny 368 tamin’ireo olona voamarina fa mitondra ny covid-19. Nahitana tranga vaovao miisa 137 ihany koa teny amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo raha 124 izany teny Atsimondrano ary 69 ny teny Avaradrano. Tranga miisa roa kosa no hita tany Andramasina ary olona iray no voaporofo mazava tao amin’ny Disitrikan’i Manjakandriana. Araka ny tatitry ny antontanisa hatrany dia tafiakatra 5 309  ireo marary mbola manaraka fitsaboana ankehitriny ka 294 amin’ireo no mampiseho ilay tranga misy fahasarotana. Nivoitra nandritra ny tatitra ny fisiana olona efatra namoy ny ainy ary nisy ihany koa  anefa olona 300 no sitrana soa aman-tsara. Sahiran-tsaina ny rehetra eo anatrehan’izao toe-javamisy izao ary miandry izay mety ho fanapahankevitry ny Fitondram-panjakana.

Fanadihadiana

Mizara roa mazava tsara ny hevitry ny vahoaka, manoloana ny fitomboan’ny isan’ny olona mararin’ny Covid-19 ankehitriny, dia ny mety hirosoana na tsia amin’ny fihibohana. Misy amin’izy ireo no mitsipaka ny hirosoana amin’ny fihibohana ary maro ihany koa anefa ireo mankasitraka ny hirosoana amin’izany  ary maniry ny hanenjanana ny fepetra ara-pahasalamana ary hanasaziana mafy izay minia mandika izany. Isan’izany ny mpamily fiara fitateram-bahoaka iray eto andrenivohitra tafaresaka taminay. Nilaza izy fa azo hirosoana ny fihibohana raha ny salan’isa ankehitriny no jerena. « Sarobidy ny aina noho ny vola », hoy izy nanamafy. Nanao antso ho an’ny Fanjakana foibe kosa ny tenany ny tokony hijerena ny sosialin’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka.

Ankoatra ity mpamily ity, isan’ny naneho hevitra ihany koa i Annanie Gabriella, mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo. Izy izay nilaza fa vahaolana tokana ahafahana mifehy ny fiparitahan’ny valanaretina ny fihibohana,  kanefa tsy mbola tafapetraka eto amintsika ny fomba fampianarana ampitain-davitra ary misy ny mpianatra no tsy manana ny fahefana hanarahana izany. Ny fanenjana ny fepetra ara-pahasalamana eny anivon’ny oniversite sy eo anivon’ny fiarahamonina no vahaolana, araka ny heviny.

Hanimba ny toekarem-pirenena

Tetsy ankilany, nilaza ny Minisitra teo aloha sady mpandinika fiarahamonina, Paul Rabary, fa tsy vahaolana eto madagasikara ny Fihibohana. Hitotongana ny sandan’ny ariary ary hiteraka ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy izy izany, hoy izy. Hanimba ny toekarem-pirenena ny firosoana amin’ny fihibohana, hoy hatrany izy. Ny  fanamafisana ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fanentanana ny vahoaka hitandrin-tena no vahaolana azo atao, hoy izy nanamafy.

Sata (mpianatra asa)

Fermer