Songadim-baovaoSosialy
TRANGA NAHAFATESANA MPIASAN’NY APIPA 4 : Rakotra «monoxyde de carbone» sy «dioxyde de soufre» tao amin’ny toerana saika niasana
Niditra an-tsehatra avy hatrany ny INSTN (Ivontoeram-pikarohana Nasionaly momba ny Siansa sy ny Teknika Nokleary) taorian’ny tranga nahafatesana ireo mpiasan’ny APIPA teny 67Ha tamin’ny marainan’ny 03 mey 2025 lasa teo. Raha tsiahivina, mpiasa miisa 4 no heverina fa sempotry ny entona mahafaty nateraky ny loto sy ny fako tao anaty lakan-drano ambanin’ny tany, teny akaikin’ny Jovena 67Ha, ka namoy ny ainy tamin’io fotoana io rehefa hanatanteraka asa fanadiovana. Araka izany, nanao fanadihadiana siantifika hahafantarana ny tena antony nahatonga ny loza ny INSTN. Nanatanteraka fandrefesana sy fandalinana teny amin’io toerana nitrangan’ny voina io ny mpikaroka. Vokatra azo ka nampahafantarina tamin’ny herinandro teo ny hoe nisy «monoxyde de carbone» sy «dioxyde de soufre» tao amin’io lakan-drano ambanin’ny tany io ka nampidi-doza ireo mpiasa izany. Araka ny fanazavan’ny Dr Andriamahenina Njaka Namelantsoa, mpikaroka ao amin’ny INSTN, dia nisy karazana fako sy rano maloto nihiboka tao amin’io toerana io, izay niteraka fiforonana sy fitobiana entona mampidi-doza. Rehefa nanao fanadiovana ny rivotra ny BNGRC sy ny APIPA dia nihena be ny tahan’ny entona tao anatin’ny toerana ka nanamarina ny vokatry ny fikarohana.
Tsara ny manamarika fa manana andraikitra lehibe amin’ny fanomezana vahaolana ara-tsiansa ho an’ny Fanjakana sy ny Fiarahamonina amin’ny alalan’ny famokarana vinavina sy porofo siantifika ahafahana mandray fepetra hentitra sy ara-potoana ny Ivontoeram-pikarohana Nasionaly momba ny Siansa sy ny Teknika Nokleary. Fikarohana sy voka-pikarohana ilaina sy mipaka amin’ny fiainana andavanandro no tanjona. Mandrakotra sehatra maro moa ny fikarohana ataon’ny INSTN. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny tontolo iainana, fikarohana momba ny rano ambany sy ambonin’ny tany, fanaraha-maso ny fahasimban’ny nofontany, ary fanaraha-maso ny fahadiovan’ny sakafo andavanandro.




