PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TRANGANA FAKANA AN-KERINY NISESISESY: Mahazo vahana ny tsaho sy ny horohoron-tsaina eto an-drenivohitra
Manampy trotraka ny tebitebin’ny fiarahamonina manoloana ny trangana fakana an-keriny nisesisesy teto an-drenivohitra tato anatin’ny andro maro, ny fisian’ireo olona izay manaparitaka vaovao tsy voamarina, na ihany ka niniana naparitaka mba hanakorontanana saim-bahoaka. Mampanahy ny mety hisiana fitsaram-bahoaka tampoka vokatry ny tondromolotra fotsiny, raha ny horohoron-tsaina mahazo ny mponin’Antananarivo ankehitriny.
Tranga nanaitra ny maro omaly, indrindra ireo mpikirakira tambajotran-tserasera Facebook ny zava-niseho teny Andrahavoahangy Ambony. Araka ny fampitam-baovaon’ny Pejy mpizara vaovao iray, dia nisy fiara iray hitan’ny olona omaly hariva, izay nisy zaza miisa roa tao amin’ny “malle arrière”. “Nandondona be tao anatiny ireo ankizy ka olona tety ivelany no naheno ka nitangorona”, hoy ny fanazavana. Araka ny fantatra dia nampangain’ny olona teny an-toerana ho isan’ireo mpangalatra olona ity fiara ity, izay nisy ramatoa iray efa lehibe tao anatiny. Saika niafara tamin’ny fandorana ny fiara sy ny fitsaram-bahoaka ny raharaha.
Rehefa tonga teny ny Polisy ary natao ny fanadihadiana teny anivon’ny kaomisaria dia fantatra fa tsy mpangala -jaza ilay olona tao anaty fiara fa miandry ny vadiny avy niasa ary nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Tsara ny manamarika fa niaraka tamin’ny rafozany sy ny zanany miisa 02 izay nilalao tao amin’ny « malle arrière » ilay lehilahy. Nisy nahita ireo Zaza nilalao sy nikapokapoka tao aoriana ka nahatonga ny olona manodidina taitra sy nitangorona ary nilaza fa mpangala-jaza ireo olona ao anaty fiara, hoy ny Polisim-pirenena. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny Polisy nisoroka ny fitsaram-bahoaka izay saika niseho
Lehilahy nisambotra ankizy teny Ambohibao ?
Mbola tranga nanaitra ny maro ihany koa ny zava-niseho teny Ambohibao Antehiroka omaly, izay nisiana lehilahy iray nisambotra zaza. Tratran’ny fokonolona ity lehilahy ity ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ihany koa, saingy rehefa nojerena dia toa marary saina, ary navotsotra. Tsy lavitra teo indray anefa dia zaza roa 5 taona sy 6 taona hafa indray no saika nalainy. Tezitra ny fokonolona, ary nisambotra azy avy hatrany fa hoe isan’ireo mpangalatra olona mahabe resaka ankehitriny ity lehilahy ity. Voalaza tao anatin’izany fa hoe mody manao adala izy rehefa tratra. Nentin’ny fokonolona nihazo ny biraon’ny zandary izy avy eo. Ireto farany izay nanambara, araka ny antso nataonay, fa tsy salama saina tokoa ilay lehilahy, raha ny fihetsika rehetra ataony. Ka mbola ho entina eny amin’ny toerana fitsaboana saina eny Alakamisy ilay lehilahy amin’ity anio ity hanamarinan’ny mpitsabo izany. Marihina fa nahitana tady, sachet mainty, ary séringue, tany amin’ity lehilahy tratra ity.
Tondromolotra…
Ampahan’ny tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina ihany ireo, fa efa maro ny zava-niseho tato anatin’ny andro maromaro nisian’ity trangana fakana an-keriny hafahafa eto an-drenivohitra ity. Ny zavatra tsy azo lavina, dia miaina ao anaty tebiteby ny mponina. Tsy vitsy ireo olona sasany, izay tafiditra ao anatin’ireo manana fiara tsy mataho-dalana miloko mainty, no azon-tahotra eo anatrehan’ny mety ho fisian’ny tondromolotra eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra ireo manana zanaka vavy. Tondromolotra izay mety hiafara amin’ny famoizana aina mihitsy, raha tsy mitandrina.
Ditran’ny ankizy?
Mbola manampy trotraka ny toe-javamisy iainana ankehitriny koa ny fisian’ireo tanora sasany manita-dalana ka tsy mody any an-trano, kanefa miteraka tebiteby amin’ireo Ray aman-dReny. Efa tranga niseho ohatra ny hoe tsy tafody fa namonjy “anniversaire” an’ny namana, teo koa ny hoe “niara-nifetifety tamin’ny namana dia mamo ary tsy tafody”, nisy indray ny hoe “zaza tsy hita… kanefa tao ambany fandrina ihany fa tsy hitan’ny Ray aman-dReny”. Ireo tranga rehetra ireo dia efa nanaovana antso fitadiavana tany amin’ny tambajotra sosialy avokoa. Ary efa nampifandraisin’ny rehetra amin’ny trangana fakana an-keriny mahazo ireo tanora ankehitriny, kanefa vokatry ny ataon’ny ankizy ihany. Fehiny, tsy azo lavina ny fisian’ny trangana fakana an-keriny eto an-drenivohitra ankehitriny, saingy tokony hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary ny rehetra, na ny eny anivon’ny fiarahamonina izany na ny mpikirakira tambajotra sosialy, ary ao anatin’ny fitoniana ihany no ahafahana manavaka izany.




