PolitikaSongadim-baovao

TSAHO NINIANA NAELY : Tsy mbola nanafatra Vaksiny momba ny Covid-19 ny « Polyclinique d’Ilafy »

Ny Polyclinique d’Ilafy irery ihany no manana fahafahana manafatra Vaksiny ary efa maherin’ny 300 ireo olona no nahazo “Attestation de vaccination” avy amin’ity toeram-pitsaboana ity, araka ny vaovao niniana naparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera sosialy. Omaly, nandiso izany ny Tale Jeneralin’ity toeram-pitsaboana tsy miankina ity, ary nilaza fa tsy nisy mihitsy fanafarana Vaksiny nataon’izy ireo. Ary tsy misy koa ny vaksiny amin'ny endriny ara-barotra nokarakarain’izy ireo, raha ny fanazavana hatrany.

Niainga tany amin’ny fifanatrehana teo amin’ny Governemanta sy ny Depiote ny resabe. Nambaran’ny Solombavambahoaka Roland Ratsiraka fa misy ireo mpitondra Fanjakana manao Vaksiny fanefitra amin’ny Covid-19 miafina, amin’ny Vaksiny Jhonson/Jhonson kanefa ny Malagasy nomena ny Vaksiny Covishield. Mbola nohamafisiny tamin’ny fanambarany tao amin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook izany. “Fantatra izao fa misy vita vaksiny jhonson & jhonson ny mpitondra sy ny akaiky ny Fitondrana ary Polyclinique Ilafy irery ihany ny manana autorisation amin’ny fanafarana io vaksiny io. Raha ny feo mandeha dia 300 mahery ny attestations de vaccination nomen’ny polyclinique ilafy. Fantatra fa ity vaksiny ity dia manankery any eoropa kanefa ny Malagasy dia nomena covishield izay tsy eken’ny Vondrona Eoropeana. Ny governementa dia mila manome fanazavana haingana ary manome alalana amin’ny fanafarana vaksiny malalaka” hoy ny Depiote Roland Ratsiraka. Ny androtry ny fihaonana teo amin’ny Governemanta sy ny Depiote ihany ny Mpitondra tenin’ny Governemanta dia efa nitondra fanazavana mahakasika ny fizotran’ny fanafarana Vaksiny ao anatin’ilay “Initiative Covax”, izay niaraha-nahalala fa tsy maintsy Covishield no omena ny Firenena miditra ao anatin’izany.

Tsy nanafatra vaksiny

Mahakasika indrindra ity fanambarana nataon’ny Solombavambahoaka Roland Ratsiraka ity, nisy ny fampitam-baovao ofisialy navoakan’ny “Polyclinique d’Ilafy” omaly. Nambaran’ny mpitantana ity toeram-pitsaboana tsy miankina ity fa tsy nanafatra vaksiny momba ny coronavirus mihitsy ny orinasa iandraiketany na inona anarany na inona. Ankoatra izay, nambarany koa fa tsy misy ny vaksiny amin’ny endriny ara-barotra nokarakarain’ity toeram-pitsaboana ity. Notsindriany tao anaty fanambarana fa tsaho iniana aely fotsiny ihany ireny, ary manan-jo feno izy ireo hitondra ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana ho an’izay olona na fikambanana mbola minia manaparitaka vaovao miendrika tsaho tahaka ireny, na amin’ny tambajotran-tserasera sosialy izany, na amin’ny haino aman-jery.

Raha tsiahivina, tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 28 Aprily 2021, fa ny Fanjakana irery ihany no afaka manafatra Vaksiny, saingy azo tanterahina kosa ny fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Noraràna koa ny fivarotana Vaksiny ho an’ireo mpandraharaha tsy mainkina. “Ireo mpandraharaha sy vondrona mpandraharaha te hanao vaksiny ireo mpiasa ao aminy dia tsy maintsy manaraka ny rindran-damina iarahana amin’ny Fanjakana malagasy…”, hoy hatrany ny Filankevitry ny Minisitra. Mbola nohamafisin’ny Fanambaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany, ny datin’ny 07 Mey 2021, fa “tsy azo atao ny manafatra na mivarotra na mampanao Vaksiny raha tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka”.

 Ny Fanoratana.

 

Fermer