PolitikaSongadim-baovao

TSAPAN-KEVITRY NY ONG IVORARY SY NY ONG TOLOTSOA: 53%-n’ny olom-pirenena mbola vonona hifidy ny Filoha Rajoelina

Ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, kolontsaina, ary fanatanjahan-tena no tena ahitana fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoha, hoy ny olona nanontaniana nandritra ny tsapan-kevitra (Sondage) nataon’ny fiarahamonim-pirenena ONG Ivorary sy ny ONG Tolotsoa. Na dia eo aza ny mbola tsy fahatomombanana eo amin’ny fanatanterahana ny Velirano rehetra dia ny 53%-n’ireo nanontaniana no nilaza ho mbola vonona hifidy ny Filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka.

53%-n’ireo olona nanontaniana dia milaza fa mbola hifidy ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka, na dia mbola mahita lesoka aza izy ireo amin’ny fanatanterahana ny Velirano. Io no anisan’ny nivoitra tamin’ny tsapan-kevitra (sondage) nataon’ny ONG Ivorary sy ny ONG Tolotsoa. Ilay fitaovana manaraka ny toetrandro BAROCI (na Baromètre Citoyen), izay fakana ny hevitry ny olom-pirenena mahakasika ny fanatanterahana ny fampanantenana mandritra ny fampielezan-kevitra sy ny politikam-panjakana, no nampiasaina tamin’izao tsapan-kevitra izao. Ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, kolontsaina, ary fanatanjahan-tena no tena ahitana fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoha, hoy ny olona nanontaniana. Ny velirano fahasivy (fahavitantena ara-tsakafo), velirano fahenina (asa mendrika ho an’ny rehetra), ary ny Velirano fahafito (fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara), no nahazo naoty ambany indrindra avy amin’ny mpifidy. Tsy nisy kosa ny velirano voasokajy ho tsy nahomby mihitsy, araka ny tatitra.

Misongadina ireo zava-bita

Ny fametrahana ireo fotodrafitrasa manarapenitra no anisan’ny ezaka notanterahin’ny Governemanta, araka ny fampitam-baovao. Ankoatra ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fahasalamana, tsy diso anjara tamin’izany koa ny sehatry ny Kolontsaina. Saika nisitraka Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina avokoa ireo renivohi-paritany eto amintsika ankehitriny. Ary efa andalam-pananganana ihany koa ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina, any amin’ny renivohi-paritra sasantsasany, isan’izany ny ao Vakinankaratra sy Amoron’i Mania. Ankoatra izay, tsy vitsy ihany koa ireo Vakoka sy Mozea natsangana sy nohavaozina ary nanaovana fameloma-maso indray, raha tsy hilaza afatsy ny Rovan’i Madagasikara, sy ny Rovan’Ambohimanga. Ireo rehetra ireo dia hilazana fa misongadina ny asa vita teo amin’ireo sehatra nomen’ny olom-pirenena vokatra tsara.

Tsy tarehimarika namboarimboarina

“Mazava be fa hafa ny tena zavamisy fa tsy ny taterina eto amin’ny tambajotra, fa raha ny zavatra hita eto dia toa tsy hisy hifidy intsony hono izany Filoha Rajoelina izany raha mbola hilatsaka amin’ny 2023”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, raha naneho hevitra mahakasika ity tatitra ity tao amin’ny kaonty facebook-ny. “Mazava izany izao fa na dia mbola tsy tanteraka daholo aza ny Velirano rehetra dia efa misy 53% mbola vonona hifidy ny Filoha, maika izany fa rehefa tonga ny 2023”, hoy ny fanehoan-keviny. Notsindriany fa fiarahamonim-pirenena, izany hoe tsy miankina amin’ny Fanjakana, no nanao ny « sondage ». Azo antoka, araka izany, fa tsy tarehimarika namboarimboarin’ny Fanjakana izay niseho teo.

Fermer