Songadim-baovaoToekarena
TSENA IRAISAMPIRENENA: Hapetraka ny « Label » amin’ireo Vato sarobidy avy eto Madagasikara
Karazam-batosoa maro no ananan’i Madagasikara raha eo amin’ny lafiny Harena an-kibon’ny tany no asian-teny, saingy mbola olana ny tsy fahafantaran’ny eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny vato avy eto Madagasikara. Mazava ho azy, misy fiantraikany eo amin’ny tsena iraisampirenena izany.
Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena stratéjika, dia lasa anarana firenena hafa matetika no mipetraka amin’ireny vaton’I Madagasikara ireny, izay tokony ho “label”-ntsika. Lasa latsa-danja ihany koa ny vidin’ny vato avy aty amintsika noho ny tsy fananana ilay taratasy fanamarinana eo amin’ny sehatra iraisampirenena.
Mandritra ny fandalovan’ny manam-pahaizana vahiny roa momba ny resaka vato sarobidy eto an-tanindrazana, dia ny Dr Patrick Voillot sy Maxime Voillot, nisy ny fifampizarana sy fifanankalozana traikefa tamin’ireo teknisianina malagasy mba hahafahana mametraka io “Label” amin’ny vatosoa malagasy io. Tanjona ny hampahafantarana bebe kokoa ny vatosoa sy vato sarobidin’I Madagasikara ao anatin’ny fiarahamiasan’ireo matihanina ao anatin’izany sehatra izany. “Ny safira avy eto Madagasikara dia tsara lavitra mihoatra ny safira avy ao Sri Lanka. Tokony hanana ny Label maha safiran’i Madagasikara azy ity vokatra malagasy ity mba hahafahana mivarotra izany amin’ny vidiny lafo kokoa eo amin’ny tsena iraisampirenena. Eto izahay dia vonona hanolo-tanana an’I Madagasikara mba hahazoana an’ity Label ity ho an’ny vatosoan’I Madagasikara”, hoy ny fanazavan’ny Dr Patrick Voillot. Nandritra ny fandraisam-pitenenany kosa, nilaza ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra fa isan’ny ezaka efa ataon’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany ny fampihenana ny fanondranana vato tsy voahodina. Izany no natao dia mba hahafahana manana fanampiny eo amin’ny sandan’izany vato izany. Ezahina ny manodina ny vato sy mametraka izany eo amin’ny toerana tokony hisy azy na eo amin’ny vidiny na eo amin’ny lanjany eo amin’ny sehatra iraisampirenena.
Tsara ho fantatra fa namarana ny fitsidihan’ireto manam-pahaizana vahiny roa ireto teto an-tanindrazana ny fanatanterahana famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Mining Business Center Ivato, nitondra ny lohahevitra hoe « Voyage au cœur des pierres précieuses de Madagascar », omaly. Nandray anjara tamin’izany ireo mpianatry ny oniversite, ireo mpiofana ao amin’ny Siansa, ary ireo solontena avy amin’ny Primatiora, ny fiadidiana ny Repoblika, ny fiarahamonim-pirenena, sy ny sendika samihafa.




