Songadim-baovaoSosialy

TSENA SABOTSY ANTSIRABE: Nanolo-tanana ny asa fanarenana ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy

Taorian’ny fahamaizan’ny tsena tapa-bolana lasa izay dia ao anatin’ny fanarenana tanteraka ny mpivarotra any an-toerana. Maro be nefa no sahirana ka tsy mahavita manangana tsena vaovao ho azy ireo. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny kaominina an-drenivohitr’Antsirabe tarihin’Atoa ben’ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy manampy ny mpivarotra, ary mendrika hotohanana ny ezaka ataon’izy ireo. Izany indrindra no nahatonga ny fitsidihan’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy tany an-toerana sy ny fifanomezan-tanana natao omaly.

Ny ampahan’ny tsena aty amin’ny misy ireo antsoina hoe « lamba tonta » no nanaovana tagnamaro satria ao no maro mpivarotra izay renim-pianakaviana sahirana mananotena. Efa mba niezaka izy ireo nanangana tranoheva amin’ny hazo fa tsy ampy ny nenti-nanana nanafoana izany. “Ka dia niara-nientana nanao tagnamaro ny mpivarotra, ny mpiasan’ny kaominina ary izahay mpiara-mikatroka ao anatin’ny Antoko FREEDOM, niantoka ny tafo ary nanafo ny tsena”, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.

Maro be ny fahavoazana ao anatin’ny Tsena Sabotsy koa tohizana ny antso avo ho an’izay afaka manome tan-tsoroka ny kaominina efa miezaka mafy ankehitriny, araka ny tatitra hatrany.

 Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer