Songadim-baovaoToekarena
TSENABEN’NY SADC: Anehoana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny asa tanana
Tanterahina ny 14 ka hatramin’ny 18 aogositra ny « Bazar de la SADC », na ny “Tsenaben’ny Vondrona misahana ny fampandrosoana aty Atsimon’i Afrika”. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana tao amin’ny Enara Galleria, Ambodifasina Tsarasaotra ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nitarika ireo mpikamban’ny Governemanta tamin’io fotoana io, ny Praiminisitra. Zava-dehibe tokoa ny fanatanterahana ity tsenaben’ny SADC ity, indrindra fa amin’izao andro vitsy mialohan’ny hanatanterahana ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ireo Filoham-panjakana sy filoham-pirenena avy amin’ireo firenena 16 mandrafitra ny SADC. Mandritra ireo dimy andro ireo manko no hanehoana amin’ireo vahiny, indrindra fa ireo delegasionina avy amin’ny SADC tonga mivory eto amintsika, ny fahaiza-manaon’ny Malagasy eo amin’ny asa tanana.
Ity sehatra ity rahateo dia mampiasa olona 3 tapitrisa, na io mivantana, na io ankolaka, araka ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana. Miantoka ny 15%-n’ny famoronan-karena eto amintsika, na ny PIB, saingy nambaran’ity mpikamban’ny Governemanta ity, fa mbola ny 1, 5 %-n’ireo mpanao asa tanana no mahavita manondrana vokatra any ivelany. ombony ho an’ireo mpanao asa tanana, araka izany, ny fanatanterahana ity hetsika ity ao anatin’ny fandraisana ny fivorian’ny SADC. Tsena lehibe ny SADC, hoy ny minisitra, satria misy mpanjifa eo amin’ny 400 tapitrisa. Raha ho an’ny taona 2024, dia nahatratra 720 tapitrisa Dolara ny fitambaran’ny harin-karena faobe teo anivon’ny SADC. Tsy hadinon’ny Minisitra ny nisaotra ny Filoham-pirenena malagasy noho ny finiavany hampivoatra ity sehatra ity tamin’ny alalan’ny fanomezana toerana hampirantiana ny vokatra asa tanana malagasy sy ny fahaiza-manao malagasy. Tranoheva maherin’ny 200 no hita ao amin’ny Enara Galleria mandritra ny fotoana hanatanterahana ny tsenaben’ny SADC. Misy eo amin’ny 300 ireo mpandraharaha mandray anjara, izay ahitana ireo mpanao asa tanana misehatra amin’ny karazana asa maro samihafa toy ny eo amin’ny sakafo, lamba, firavaka, haingo, sns. Tsy diso anjara koa ireo mpandray anjara avy amin’ny sehatra hafa mifandray amin’ny tontolon’ny asa tanana toy ny famatsiam-bola, ny fiantohana, ny fampitaovana, sns.
Rado Harivelo


