Songadim-baovaoSosialy
TSENAN’ALAKAMISY MAHAMASINA : Mitaraina ho matiantoka ireo mpivarotra noho ny savorovoro
In-telo alakamisy izao no lasa kianja hifanandrinan’ireo mpitandro filamina sy mpanao fitokonana ny eny Mahamasina sy ny manodidina. Iaraha-mahalala anefa fa isaky ny alakamisy no andron’ny tsena eo Mahamasina. Aman’arivony ireo olona mivelona amin’ny fivarotana eo amin’io toerana io rehefa andron’ny tsena. Rehefa raikitra anefa ny fifanandrinana eo amin’ireo mpitokona sy ny mpitandro filaminana dia mitsahatra miaraka amin’izany ihany koa ny asa fitadiavam-bolan’ireo mpivarotra.
Tamin’ny andron’ny alakamisy 25 septambra 2025 manokana, andro nanombohan’ny hetsikin’ireo Gen Z, dia tsy nanam-po ny hitaran’ny fihetsiketsehana ho any Mahamasina ireo mpivarotra, raha toa ka tany Ambohijatovo sy Analakely ary Antaninarenina no tena ivon’ny hetsika tamin’io fotoana io. Ireo mpivarotra sakafo no tena velon-taraina tamin’io andro io satria very sasaka avokoa ny entam-barotra efa nokasaina hovarotana, hitadiavam-bola. Tamin’ny alakamisy 02 oktobra indray dia fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpivarotra tao Mahamasina ny tsy hivarotra mihitsy. Rehefa nahatsapa izy ireo fa mihamilamina ny zava-misy, tonga maro namelatr’entana teny Mahamasina ireo mpivarotra omaly. Nohon’ny nipaika indray anefa ny tamin’ny 12 ora sy sasany dia tsy maintsy nanatsahatra ny asa fivelomana indray izy ireo, nangorin’entana noho ny fisian’ny fitokonana hatrany.
Manoloana izany zava-misy izany indrindra no tena mampitaraina ireo mpivarotra satria voaelingelina ny asa fitadiavan’izy ireo. Ho an’ny omaly manokana dia sady mahazo fandrahonana avy amin’ireo mpitokona ihany koa ireo mpivarotra. Ireto farany izay tsy mankasitraka ny hanakorontanana ny manodidina ny toeram-pivarotan’izy ireo ka raikitra ny fifaaliana am-bava. «Miditra fatiantoka izahay», hoy i Kala, mpivarotra an-taonany maro eo Mahamasina. Nohazavainy fa miantoka “balle friperie” no asany ary mivarotra izany eny Mahamasina. Izany hoe maka io entana io any amin’ny mpamongady izy, mandeha mivarotra ary ny hariva rehefa mahalafo vao manefa ny saran’ny entana any amin’ilay mpamongady. Nandritra izay 3 alakamisy izay anefa, tsy ampy hamerenana ny vidin’entana nalaina akory ny vola niditra satria tsy nisy ny tsena, tsy nisy ny tombom-barotra. Miditra fatiantoka izy ireo ka manao antso avo ny amin’ny tsy hanatanterahana hetsika intsony eny amin’ny manodidina an’i Mahamasina.
S.S




