Songadim-baovaoToekarena
TSENAN’NY « AGOA » Hitadiavana lalam-barotra ireo mpanao asa tanana Malagasy
Ny sehatry ny lamba hatramin’izay no nahalalana an’i Madagasikara teo amin’ny tsenan’ny AGOA, na tsena Amerikana aty Afrika. Fantatra koa, fa tsy ho ela dia hiara-hiasa amintsika amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny Hai-tao, ny AGOA, amin’ny alalan’ny fandefanasa ireo vokatry ny Asa tanana Malagasy…
Anisany vaindohan-draharahan’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny Hai-tao, ankoatra ny fanamorana ny famatsiana akora fototra, ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fanofanana, ny fikarohana lalam-barotra ho an’ireo mpisehatra rehetra amin’ny Asa tanana. Efa maro ny dingana natomboky ny minisitera tarihin’ny Minisitra Ratsiraka Sophie, mikasika azy io, toy ny fanatanterahana varotra fampirantiana any amin’ireo Masoivoho Malagasy any ivelany, toy ny any lafrantsa, sy ireo firenen-kafa. Amin’izao fotoana, misy ny fiaraha-miasan’ny Minisitera amin’ny firenena Amerikana, amin’ny alalan’ny Tsena AGOA, izay tsena Amerikana anisany lehibe indrindra hahafahan’i Madagasikara manondrana ireo vokatra avy eto an-toerana, toy ny lamba. Tafiditra anatin’izany ny hahafahantsika manondrana ireo vokatra vokarin’ireo mpanao asa tanana eto Madagasikara, izay hikarohan’ny minisitera lalana manomboka izao. Hiantomboka tsy ho ela amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra iarahana amin’ireo mpisehatra amin’ny Asa tanana izany, izay hatrehan’ny minisitera eo anatrehan’ny tompon’andraikitra amin’ity tsena AGOA ity, raha ny fantatra. Andrasana anatin’izany kosa, ny toromarika sy ny fepetra rehetra hisitrahan’ny mpanao asa tanana io tsenan’ny AGOA io. Anisan’izany ny karazan’entana ilaina sy ny fepetra takiana amin’izany. Nambaran’ny Minisitry ny Asa tanana sy ny Hai-tao, Ratsiraka Sophie, fa izao fiaraha-miasa izao dia hananan’ireo mpisehatra rehetra tombontsoa, eo amin’ny tsy fandoavan-ketra amin’ireo entana haondrana any Amerika. « Manomboka eo dia hotantanana hatramin’ny farany aloha ireo mpanao asa tanana vonona sy mahafeno fepetra rehetra, hatrany amin’ny fanondranany entana. Rehefa zatra izy dia handeha ho azy izany, ary tanjona ny hampivoatra azy ireo, hahamatihanina azy, fa indrindra hampiroborobo ny asa tanana fanaony hatramin’izay », nanampy fanazavana ny Minisitra. Hivelatra ihany koa ity fiaraha-miasa amin’ny Amerikana ity, amin’ny alalan’ny toromarika omen’ny Minisitera ireo mpisehatra amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisany. Araka izany, ho afaka miditra anatin’ny tsena AGOA io avokoa ireo mpanao asa tanana mahafeno fepetra, na ny mandalo amin’ny minisitera, na tsia. Noraisin’ny Minisitra Ratsiraka Sophie, tetsy amin’ny biraony 67ha, omaly, ny Mpiandraiki-draharaha Amerikana, mikasika ity fidiran’ny Asa tanana Malagasy anatin’ny Tsenan’ny AGOA, ity.



