PolitikaSongadim-baovao
TSIAHY NY FAHA-30 TAONA NY VONO OLONA FAOBE : Nigadona any Kigali renivohitr’i Rwanda ny Filoha Andry Rajoelina
Nanainga omaly alina nihazo an’i Kigali renivohitr’i Rwanda ny Filoha Andry Rajoelina. Isan’ireo vahiny manan-kaja voaasa manokana hanatrika ny lanonam-pahatsiarovana ny vono olona faobe na « génocide » izay nitranga tany amin’ity firenena ity, ny taona 1994 ny tenany.
Nanainga omaly alina nihazo an’i Kigali renivohitr’i Rwanda ny filoha Andry Rajoelina. Isan’ireo vahiny manan-kaja voaasa manokana hanatrika ny lanonam-pahatsiarovana ny vono olona faobe na « génocide » izay nitranga tany amin’ity firenena ity, ny taona 1994 ny tenany. Hotsarovana ny alahady izao ny faha-30 taonan’ny vonomoka natao tamin’ny foko Tutsi tany amin’ny Firenena Roandé, izay nitranga nanomboka ny 7 avrily hatraminy 17 jolay 1994 ka nahatratra 800 000 hatramin’ny 1 tapitrisa ny isan’ireo namoy ny ainy. Matotra sy mihamafy hatrany ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy ara-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Raha tsiahivina, ny Filoha Paul Kagamé dia isan’ireo vahiny manokan’ny Filoha Andry Rajoelina ary tonga nanatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy, tamin’ny taona 2019, raha vao lany ho Filoham-pirenena izy ka niakatra teo amin’ny Fitondrana. Izy rahateo no isan’ny niarahaba voalohany ny Filoha Andry Rajoelina taorian’ny fahalaniany ary nandefa ny Praiminisitra Roande nanatrika ny fianianana nataony teo Mahamasina. Vao tsy ela ihany koa, ny volana aogositra 2023 teo, nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tany Kigali Rwanda ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ka anisan’ny nanamarika izany fitsidihana izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanatanterahana tetikasa maro samihafa mahakasika lafiny fandraharahana, ny indostria, ny varotra sy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany. Nivoitra nandritra izany dian’ny filoha Andry Rajoelina tany Rwanda izany moa ilay fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ireo sehatra tsy miankina avy amin’ny firenena roa tonta.
Fametrahana fiaraha-miasa…
Ankoatra ny fanatrehana ny fahatsiarovana ny faha-30 taonan’ny vono moka, ny alahady izao, dia hisy fihaonana manan-danja maro koa voarakitra ao anatin’ity fitsidihana ara-pomba ofisialy any Kigali ity. Araka ny vaovao voaray, hisy anio sabotsy 6 aprily ny fihaonan’ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Richard Ramanambitana amin’ny Ben’ny Tanànan’i Kigali. Tombanana anisan’ny horesahin’ny roa tonta mandritra izany fihaonana izany, ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ny lafiny fanadiovana ny tanàna sy ny sehatry ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny.
Raha tsiahivina moa, anisan’ny voasokajy ho tanàna madio indrindra aty Afrika i Kigali ka azo inoana fa hisongadina mandritra izany fihaonana izany ny fifampizarana traikefa eo amin’ny roa tonta.
Ny minisitry ny fambolena izay isan’ireo mandrafitra ny delegasionina koa dia hisy ny fihaonany manokana amin’ny minisitry ny Fambolena an’i Rwanda anio sabotsy 6 avrily. Kitro ifaharan’ny toekarena Rwandais ny sehatry ny fambolena. 33% ny harinkarena faobe, dia avy amin’ny fambolena avokoa ka ny 55% ny mpiasa ao Rwanda dia miasa eo amin’ny tontolon’ny fambolena. Ho antsika eto Madagasikara, mahatratra hatrany amin’ny 80 % -n »ny mponina no mpamboly. Zava-dehibe, araka izany, ny hisian’ny dinika toy izao hifampizarana traikefa sy hametrahana fiaraha-miasa. Anisan’ny miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina mandritra izao fitsidihana ara-pomba ofisialy any Rwanda izao koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala.
Rado Harivelo



