PolitikaSongadim-baovao

TSINGERIN-TAONA NAHAFATESANA OLONA MARO: Mahazo vahana ireo vaovao tsy mari-pototra hanaratsiana ny Fanjakana

Tafakatra 29 ireo namoy ny ainy tamin’ilay raharaha fanapoizinana niseho nandritra ny fankalazana tsingerintaonana tanora vehivavy iray teny Ambohimalaza, iray volana lasa izay. Mihazakazaka be ny fandehan’ireo vaovao samihafa manodidina ity raharaha ity, izay tsy mari-pototra akory ny ankamaroany, ka zary lasa manampy trotraka ny fahoriana sy ny fikorontanan-tsain’ireo fianakaviana manana ny maty sy marary.

Tafakatra 29 ireo namoy ny ainy tamin’ilay raharaha fanapoizinana niseho nandritra ny fankalazana tsingerintaonana tanora vehivavy iray teny Ambohimalaza, iray volana lasa izay. Raha toa ka mbola ao anatin’ny fanadihadiana sy ny famotorana tanteraka ny fitsarana, ny mpitsabo ihany koa, etsy ankilany, miezaka mitady ny fomba rehetra hitsaboana sy hanavotana ireo mbola marary, dia misy ampahan’olona miezaka mivoy vaovao tsy mari-pototra manampy trotraka ny fahoriana efa mahazo ireo fianakaviana niharam-boina. Tonga hatramin’ny fitadiavana fomba rehetra mihitsy aza ny an’ny sasany hanaratsiana ny Fitondram-panjakana. Omaly, naneho ny heviny mifandraika amin’izay indrindra Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Loholon’i Madagasikara. Novakiany bantsilana fa tsy mety raha toa ka fahafatesana olona maro no hanaovana “récupération politique” hanenjehana ny Fitondram-panjakana.

Nitondra ny heviny Ramatoa Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.

Vokatry ny fahatapahan-jiro ?

Anisan’ny noresahany ny fivoizan’ny olona sasany fa hoe « botulisme » ilay tranga, ary izay no novoizina tamin’ny vao nisy ilay loza teny Ambohimalaza mba nahafahana niteny hoe fahatapahan-jiron’ny Jirama no olana fa afenin’ny Fanjakana. “Izaho tsy miaro ny Jirama, ary izaho aza mihevitra fa mamono olona betsaka ankolaka noho ny famonoana ny fiharian’ny olona io délestage io ary izay indrindra no isaorako ny fitondram-panjakana manana « volonté politique » mahasahy mandray fepetra, hanarenana an’io orinasa io. Fa kosa tsy terena hoe « botulisme » mba ahafahana mitora-bato ilay fanjakana ilay izy, satria izay mihitsy ilay lasa hoe manararao-paty. Ireo mpanao kaonty fako teto amin’ny tambajotra ihany anie no namoaka tamin’ny voalohany hoe « traitement » ana « botulisme » no natao e, koa maninona no mbola misy maty ihany raha izany nefa « pris en charge à temps »? » , hoy ny fanazavany. Notsindriany koa fa efa nisy Profesora « spécialiste en bactériologie sy virologie » koa nanazava fa tsy velona anatina « donut » ny « toxine botulinique » satria mila « milieu humide ».

Arovana ilay tompom-pety ?

Nambarany ihany koa fa manana ny antony ireo tomponandraikitra matoa tsy namoaka ny anaran’ilay singa ara-tsimika fototr’ilay fanapoizinana, ka tokony hohajaina izany. Na izany aza, ny fiampangana ny Fanjakana hoe manafina ny tena marina mba ho fiarovana izay mety hahavanon-doza dia tena tsy mitombona, raha ny fanazavany hatrany. “Fa ny fitondram-panjakana angaha no nikarakara fetina tsingerin-taona e? Tsy hitako mihitsy izay antony ilazana hoe arovana ilay tompom-pety”, hoy izy, ary nampiany hoe “Mazava ho azy fa tsy maintsy hatao fanadihadiana izy hahalalana izay tena anjara andraikiny marina tao anatin’ilay loza rehefa sitrana soamantsara, fa ilay famoronan-dresaka iniana atao hisarihana fankahalana ny Fitondram-panjakana kosa dia hitako tena fandrebirebena saim-bahoaka na « manipulation condamnable », satria tsy mampiteraka fitoniana mihitsy fa vao maika mampisavorovoro resaka”.

Mbola anaty famotorana!

Manana zo hahalala ny tena marina ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy tao anaty fanehoan-keviny, dia aoka tsy isika no mandrirotra resaka tsy ahitana izay lohany sy vodiny intsony ka vao maika koa lasa mamendrofendro azy ireo nefa tokony mba fampisehoana fiombonam-po sy fankaherezana no hatao satria efa mafy ny manjo azy ireo. Ankoatra izay moa dia notsindriany fa ny famotorana ao amin’ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana (défèrement, enquête au fond, sns…) dia tsy mbola raharaham-pitsarana (audience) akory ka noho izany dia tsy azo atrehin’ny besinimaro ho fanajana ilay hoe tsiambaratelon’ny famotorana (secret de l’instruction). Hatreto moa dia mbola tsy nisy fitsarana mandeha momba ity raharaha ity.

Hotsaraina ampahibemaso

Nanambara omaly ny Tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, fa hotsaraina ampahibemaso, izany hoe azon’ny olona rehetra hatrehana ny fitsarana ireo olona rehetra voarohirohy tamin’ity raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza ity rehefa vita ny famotorana rehetra. Ankoatra izay, manoloana ny resabe miely dia notsindriany fa tsy afaka hanome ny anaran’ny singa nahatonga ny fanapoizinana ny Fitsarana fa mihazona ny tsiambaratelon’ny fizotry ny famotorana. Tsy azo lazaina ihany koa izany mba tsy hampiana-dratsy ny olona mety hanana eriretreri-dratsy hamono olona.

Tsy misy zavatra afenina mikasika ity raharaha ity, hoy ihany ny tonia raha nijery ny toe-pahasalaman’ny tompon’ny fanasana teny amin’ny CHU JRA izy ireo. Mbola tsy afaka miteny noho ny fahalemen’ny hozatra sy ny fisian’ny fantsona eo amin’ny tenda ny marary ka na manoratra amin’ny finday na amin’ny solaitra rehefa misy zavatra ilainy, hoy ny mpitsabo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer