SosialyToekarena

TSIROANOMANDIDY SY FENOARIVOBE Lalana 10 km sisa tsy mampifandray ireo distrika mandrafitra an’i Bongolava

Lalana 32 km no tsy maintsy novakiana hampitoizana ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, hanalana fahasahiranana ny mponina ao amin’ny faritra Bongolava. Ezaka izay natomboky ny Fiadidiana ny Faritra Bongolava, ary hifarana afaka herinandro vitsivitsy, eo amin’ny famakiana ny lalana…

Anisany nampalaza ratsy ny faritra Bongolava ny tsy fandriam-pahalemana vokatry ny faharatsian’ny lalana, ary miteraka fahasahiranana ho an’ny mponina eo amin’ny tsy fivoaham-bokatra isaky ny Kaominina. Mampiaiky ny rehetra kosa ny fahatsaran’ny lalam-pirenena voalohany, saingy ny mitsofoka mian-kavia na havanana amin’izany dia ratsy avokoa. Anisany ezaka tanterahan’ny Faritra Bongolava, ankehitriny, ny famitàna ireo lalana nampahory vahoaka hatramin’izay, na an-tampon-tanàna na amin’ny kaominina isanisany, amin’ny alalan’ny « pavé ».

Ampahan-dalana novakiana mihazo an’i Fenoarivobe, miala eo Ankadibevava

Anisany ezaka goavana tanterahin’ny faritra amin’izao fotoana, ny famakiana lalana mampitohy ireo distrika roa mandrafitra an’i Bongolava, dia i Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, izay hanala fahasahiranana tanteraka ny mponina aorian’ny fahavitàny. Mitotaly 77 km ny lalana mampifandray ireo distrika roa ireo. Nambaran’ny Governoran’ny faritra Bongolava, Général de Division Ramiaramanana Joseph, fa raha ny zava-misy teo aloha dia tsy afaka mihazo an’i Fenoarivobe raha avy ao Tsiroanomandidy. Torak’izany koa ny avy any Fenoarivobe, fa tsy maintsy samy miakatra an’Antananarivo avokoa, ary mandray ny lalam-pirenena fahefatra sy lalam-pirenena voalohany. « Lalana mirefy 32 km miala eo amin’ny sampanana Ankadibevava no nanombohan’ny famakian-dalana, ary ny 22 km amin’izany dia efa voavaky tamin’ny alalan’ireo milina lehibe fanamboaran-dalana avy amin’ny Fitondram-panjakana, raha mitohy amin’ny famakiana ny 10 km ny faritra amin’izao fotoana, izay haharitra herinandro eo raha ela », nanampy fanazavana ny Governora. Raha ny hita tany an-toerana, efa azon’ny mpampiasa « moto » aleha izany lalana izany, raha misy tsikelikely ny fiara. Mbola hisy anefa, fanamboarana fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny lalana 32 km novakiana io, vao ho azon’ny rehetra ampiasaina. Eo anatrehan’ny fanokafana io lalana mampitohy ny distrika roa io, dia mahatsiaro afa-pahasahiranana sahady ireo mponina, eo amin’ny fivezivezena amin’ny fiantsenana sy famoaham-bokatra.

Mitohy ny famakiana lalana mihazo an’i Fenoarivobe, amin’izao fotoana

Maherin’ny 4 km ireo lalana « pavé » efa vita…

Raha ny fanamby napetraka tamin’ireo Governoran’ny faritra, dia lalana mirefy 250 km isan-taona no tsy maintsy vitaina. Anisany nanao fanamby tamin’izany ny faritra Bongolava, ka nanatanteraka tsikelikely ny fanavaozana ireo lalana sarotra ho an’ny mponina hatramin’izay ao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy. Lalana maherin’ny 4 km no efa vita « pavé » ao an-toerana, amin’izao fotoana, raha 15 km no tanjona. Efa vita « pavé », ohatra ny lalana mihazo ny hopitaly ao an-tampon-tanàna, izay nanjakan’ny fotaka mandrevo teo aloha, rehefa fotoanan’ny orana. Efa vita koa ny lalana ao Avaratsena sy Atsimotsena. Hirosoana koa ny fanamboarana ireo lalan-kely ao an-tampon-tanànan’i Fenoarivobe, aorian’ny fahavitan’ny famakian-dalana, raha ny nambaran’ny Governoran’ny faritra, Jeneraly Ramiaramanana Joseph.

Fermer