Vaky Bantsilana

Tsy adidiko izaho samirery…

Aiza ho aiza ny endriky ny tanànan’Antananarivo raha miolotra amin’ny tanàn-dehibe hafa any Afrika na aty amin’ny Ranomasimbe indianina? Tsy vitsy no hanaratsy tena tahaka ny omby hantsika, raha ny fampitahana no atao. Efa maro ireo nametraka vina ho an’ny tanànan’Antananarivo, saingy tsy nisy nahasahy nametraka ny tena lalàna marina irosoana amin’ny tsara kokoa. Ny sasany mba nametraka lalàna ihany, saingy nanao afo mololo, miredareda am-boalohany, ary farany manao afo am-bilanikely. Heverina, araka izany, fa ny fampahafantarana ny fifehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ho an’ny eto an-drenivohitra, dia hirosoantsika mankany amin’ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo, izay nihavery hasina teo aloha teo. Variana amin’ny tombontsoa manokana fotsiny ny hafa, ka hadinony ny tombontsoa iombonana?

Fotoana izao hanitsiana ny gaboraraka sy ny tsy nety hatramin’izay. Ho an’ireo  zatra tsy tia fehezina sy manana toe-tsaina lomorina, dia azo antoka fa hitady olana noho ny resaka fahantrana, fa tsy vonon-kiova mihitsy izy ireo. Rehefa tsy mihetsika, rey olona, dia mihitsoka a! Rehefa tsy voahaja ny lalàna, mazava ho azy fa misy ny tsy fifanajana, anjaka ny kolikoly sy ny gaboraraka. Mbola vao karazana fanentanana fotsiny no nataon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra,  efa manao lela manaka-danitra any anaty tambajotra ara-tsosialy rehetra any ireo tsy tia fandrosoana sy vonona ny hanao toe-tsaina bontolo. Ireo zatra ny gaboraraka moa vantany vao naheno ireo karazana lamandy,  nitsaha-monomonomona tahaka ny voangory voapaika. Ny hafa miezaka ny hampanjaka ny tsy ara-dalàna ho any amin’ny ara-dalàna. Ô leiretsy a! efa lasa ny zavatra taloha.

Taona iry, iry no lalana, taona itsy, itsy no lalana fa taona ity, ity kosa ny lalana, dia ny lalana mankany amin’ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo mankamin’ny famerenan-kasina. Koa tsy adidiko izaho samirery, fa adidiko izaho sy ianareo, hoy Andrianampoinimerina. Fotoana izao, anaporofoana ny tenin’ity Mpanjaka fa hendry tamin’ny fotoan’androny ity. Iza moa no tsy mahatsapa fa mifanipaka tahaka ny vavan’omby manoaka ny fiainam-piarahamonina misy antsika, indrindra eto an-drenivohitra? Ny arabe natao ho an’ny fiara, nanjary lasa lalan’ny olona, ny lalana natao ho an’ny olona, nanjary lasa fivarotana. Misy aza, efa tonga any amin’ny arabe mihitsy. Ny tsena natao ivarotana anefa, nilaozan’izy ireo sy natao ankilabao mihitsy. Niova tanteraka ny fenitra. Tsy misy afa-tsy ny famehezam-pitsipika ialana amin’ny gaboraraka ihany, no lalan-tokana, izay miainga avy amin’ny fanentanana aloha.

Isan’ny gaboraraka eran’ny tanàna ilàm-bahaolana, ohatra, ny mpivarotra amoron-dalana, toy ny eny Behoririka, Analakely, Isotry,  Andravoahangy sy ny maro hafa. Ny fitohanana lavareny, izay mampikolay ny rehetra. Ny tsy fametrahana ny drafi-panatsarana ny tanàna, fa samy manangana izay tiany hatsangana amin’ny fanamboarana trano. Izany no mahatonga ny tranohazo miorina etsy sy eroa manerana ny tanàna, indrindra any amin’ireo faritra iva. Vokany, tandindomin-doza hatrany ny fiarahamonina, amin’ny fampiasana na filalaovana afo, mety ho ataon’ny ankizy. Rehefa tsy misy ny fandrosoan’ny tanàna, manao randran-tarihiny, ny resaka tsy fandriampahalemana. Soa fa nisy ny ben’ny Tanàna nofinidim-bahoaka, vonona.

Vonona hanatsara sy hamerina ny laoniny, ny hasin’ny tanànan’Antananarivo. Irariana, ny mba tsy hanaovana afo-mololo amin’ny fanatanterahana ny asa, ka am-boalohany ihany. Solanga mihajoko ny renivohitr’i Gasikara, raha miolotra ny renivohitry ny firenen-kafa. Koa tsy misy afa-tsy ny fiaraha-misalahy amin’ny fampanarahan-dalàna sy ny fanajana ny lafiny fanadiovana no ezaka voalohany indrindra. Rehefa tsy mandoto, dia sokajin’ny manadio sahady, araka ny dokavarotra mandeha amin’ny fahitalavitra. Mitaky fahatongavan-tsain’ny rehetra izany, raha tiana tokoa ny hamerenan-kasina an’Antananarivo satria tsy adidin’ny ben’ny Tanàna irery, fa adidin’ny olom-pirenena rehetra manan-tsaina,  ny fampivoarana ny renivohitra iaraha-manana.

Fermer