Songadim-baovaoSosialy

TSY FANARAHAN-DALANA SY TSY FITANDREMANA: Misesisesy indray ireo lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, trangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tsy latsaky ny telo no niseho teto an-drenivohitra sy tany amin’ny Lalam-pirenena. Omaly, tovolahy iray manodidina ny 18 taona no maty tsy tra-drano teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra rehefa nifanehitra tamin’ny kamiao. Taksiborosy iray ihany koa no nifanehitra tamina kamiao tao akaiky ny Mandraka, Lalam-pirenena faharoa, ka naharatrana mpandeha maherin’ny 10, sy namoizana aina olona iray. 

Raha vao ny alin’ny sabotsy lasa teo no nisy tovolahy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny disadisa teo amina mpitondra fiara fitateram-bahoaka sy ny mitondra kodiaran-droa, dia izao indray, tovolahy iray voalaza fa manodidina ny 18 taona eo no maty tsy tra-drano, teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra mizotra ho eny Ivato, omaly. Fantatra, fa nifandona mafy tamina kamiao nifanohi-dalana taminy ity « moto » nentina tovolahy ity, ka nahatonga izao loza mahatsiravina namoizana aina izao. Ambonin’izany anefa, nambaran’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga, fa nifanenjika tamin’ny namany tamina kodiaran-droa ihany koa, ity tovolahy mpitondra « moto » ity, no izao tra-doza izao. Raha ny hita amin’ny sary, dia tafatsofoka tao ambanin’ilay kamiao mihitsy ilay « moto », noho ny dona mafy dia mafy teo aminy sy ity fiarabe. Nijanona avy hatrany ilay kamiao, izay mbola hita amin’ny sary fa tsy nivoaka tamin’ny lalan-jotra manandrify azy. Nandray fepetra ny mpitandro filaminana akaiky teo, niaraka tamin’ny Borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana.

Taksiborosy nofaohin’ny kamiao, iray namoy ny ainy, 10 naratra mafy

Omaly ihany koa,  nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena faharoa. Taksiborosy mampitohy an’i Moramanga sy Antananarivo no niharan-doza. Araka ny loharanom-baovao, kamiao iray nisy tsy fetezana ara-teknika satria tapaka « rotule » sy tapaka fantsona no nifaoka ity taksiborosy ity. Tsy tafavily intsony ilay kamiao, ka nifatratra tany amin’ilay taksiborosy. Vokany, nisy tamin’ireo mpandeha no nifampisokirina satria voatery tao. Tafakatra folo ireo naratra mafy. izay nentina tany amin’ny Hopitaly tao Manjakandriana ny ankabeazany. Nisy iray kosa, voatery nentina haingana aty Antananarivo. Tamin’ireo naratra tonga tao amin’ny Hopitaly Manjakandriana, dia nisy iray namoy ny ainy, omaly hariva. Lehilahy iray 36 taona mipetraka any Ambatolaona io tsy tana io ny ainy. Ny Borigadin’i Manjakandriana no miandraikitra ny famotorana.

Stan R. sy Pierre M.

Fermer