Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TSY FANDRIAMPAHALEMANA AO TOAMASINA : Lehilahy iray maty voatsatok’antsy, atao hazalambo ireo roalahy nahavanon-doza
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao an-dRenivohitry ny Faritra Atsinanana! Ankoatra ireo tranga maro mampitaraina vahoaka mila ho isan’andro dia tovolahy iray indray no maty lasibatry ny vono nataona roa lahy tamin’ny alalana tsatok’antsy maro, tao Ambolomadinika. Manoloana izany dia nisy fepetra hentitra noraisin’ny “Organisme Mixte de Conception” hamerenana haingana ny filaminana any an-toerana sy hanaovana hazalambo ny nahavanon-doza…
Mila ho isan’andro ny tsy fandriam-pahalemana mampihorohoro vahoaka ao Toamasina! Tovolahy iray 25 taona indray, no lasibatry ny asan-jiolahy tamin’ny alalan’ny vono feno habibiana vokatry ny tsatok’antsy maromaro nihatra taminy, tao Ambolomadinika Toamasina, ny talata 04 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina. Roa lahy no tompon’antoka sy nahavanon-doza raha ny hita tamina fakan-tsary andrimaso. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia tsatok’antsy nisesy no nasetrin’ireo jiolahy roa, saingy mbola tafatsangana i Tahina taorian’izay, raha nitsoaka ireo nahavanon-doza. Efa akaikin’ny trano fonenany izy no izao niharan-doza izao, ary toeram-pivarotana iray teo akaikin’ny trano fonenany no nivantanany. Teo izy vao nitolefika ka nahataitra ny maro. Rehefa nojerena dia rà nijininika, ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana akaiky, fa nalefan’ity farany teny amin’ny Hopitalin’i Betania. Vao tonga teny anefa, dia tapitra ny ainy.
Avy namonjy fotoam-pivavahana…
Mpivavaka i Tahina sy ny fofom-badiny, raha ny fantatra, ary vao ny 22 febroary 2025 izy ireo no mpifamofo, ary eo am-panomanana ny fanambadiana kristianina izy roa no izao nosomparan’ny ratsy nahatonga fahafatesana izao. Nambaran’ity fofom-badiny, fa nirava aloha izy tamin’io talata io ary nilaza taminy fa hamonjy fotoam-pivavahana mialohan’ny hodiana. Rehefa nirava dia nilaza izy fa efa tonga, nanatitra ny zandriny. Mbola nisy namany hafa anefa, nateriny taorian’izay, hoy hatrany ny fitantarany, ary iny izy nitodi-doha hamonjy fodiana irery iny no sendra ireo jiolahy tsy mifaditrovana. Tsatok’antsy miisa 07 no voalaza fa hita tamin’ny vatany, ka ny 03 tamin’izany no noheverina fa nahafaty azy. Ny iray teo amin’ny tratrany manakaiky ny fony, ny iray tao an-damosiny, ary ny iray teo amin’ny lohany.
Efa misy olona ahiahina…
Taorian’ny fiparitahan’ny horonan-tsary naneho ny tranga famonoana an’i Tahina izay niely an-tambazotran-tserasera io dia nandeha ny ahiahin’ny rehetra. Nisy tovolahy iray voatonona anarana tao anatin’izany, izay voalaza iray tamin’ireo roa lahy, ary efa mpigadra sy mpamerin-keloka ikoizana ao Toamasina. Raha ny loharanom-baovao avy tamin’ny Mpitandro filaminana tany an-toerana, omaly hariva anefa, dia fantatra fa olona iray no efa nitolo-batana teo anatrehan’izy ireo, miampy olona maromaro ahiahina ka nosamborina sy miatrika famotorana. Andrasana ny valin’ny fanadihadiana.
Mihatra ireo fepetra hentitra
Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana miseho lany ao Toamasina io dia nanatanteraka fivoriana maika ny “Vovonana Mpandinika mahakasika ny Filaminana anatiny” ao Atsinanana, na ny “Organisme Mixte de Conception” (OMC), omaly maraina. Fepetra hentitra no tsy maintsy ampiharina ao an-toerana noho izany, dia ny fanamafisana ny fanentanana vahoaka hanaraka ireo toromarika omen’ny Mpitandro filaminana. Mikatona manomboka amin’ny 10 ora alina ny toeram-pisotrosotroana rehetra, tsy maintsy mitondra Karapanondro antoandro sy alina amin’ny fisavana tsy maintsy ataon’ny Mpitandro filaminana. Aparitaka manerana ny faritra rehetra ao Toamasina ny Mpitandro filaminana. Ny fanentanana ny mponina mahita trangana herisetra na tsy fandriam-pahalemana miseho mba tsy hitazam-potsiny fa hifanampy amin’ny fanafoanana ireo asan-jiolahy. Nisy ny famoriana ireo Sefo Fokontany rehetra ao an-toerana, nampanaovina fanisam-bahoaka ho an’ireo mpifindra monina sy tena mponina ao amina Fokontany, hahitana izay olon-dratsy mialokaloka eny anivon’ny fiarahamonina. Farany, ny fanentanana ny vahoaka hanome loharanom-baovao haingana mba ho tolo-tanana ho fiaraha-misalahy iadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana hiainan’ny vahoaka anaty filaminana. Ny OMC izay nahitana ny fandraisam-pitenenan’ny Prefen’i Toamasina, Benandrasana Cyril, ny Governora mpisolo toerana ao Atsinanana, Rakotovao Andry, ary ny Ben’ny tanàna, Andriafanomezantsoa Alain.
Nangonin’i Stanislas R.



