Trangam-piaraha-monina
TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Misesisesy ny lehibena dahalo maty lavon’ny zandary
Dahalo iray malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana no lavon’ny zandary, ny zoma lasa teo, antsoina hoe Revato, avy any Mahatsinjo, anatin’ny kaominina ambanivohitra Maria, distrikan’i Kandreho. Raha ny angom-baovao, isan’ireo dahalo nanafika tao Mahatsinjo, fokontany Anjikely, kaominina ambanivohitra Madririvalo, ny alin’ny 29 novambra lasa teo ity dahalo lavo ity.

Dahalo iray malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana no lavon’ny zandary, ny zoma lasa teo, antsoina hoe Revato, avy any Mahatsinjo, anatin’ny kaominina ambanivohitra Maria, distrikan’i Kandreho. Raha ny angom-baovao, isan’ireo dahalo nanafika tao Mahatsinjo, fokontany Anjikely, kaominina ambanivohitra Madririvalo, ny alin’ny 29 novambra lasa teo ity dahalo lavo ity. Omby roa no tafaverina, ary efa natao am-balam-pamonjana ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Sitampiky. Isan’ireo angady nananana izao vokatra izao ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Sitampiky, nampian’ireo zandary avy ao amin’ny CSAO Mahajanga, niaraka tamin’ny fokonolona tao an-toerana.
Ankoatra izay, ny 24 Novambra 2022, tamin’ny 8 ora alina, raha nanao fisafoana toy ny mahazatra ny kalony sy ny miaramila tao Sarilasy, kaominina Ambodirano distrikan’i Vondrozo, dia nahavoasambotra dahalo iray. Nahatrarana fitaovana fampiasan’ny dahalo izy, toy ny kiririoka, bala vita gasy « cal 12 » miisa roa sy mohara maromaro ary lamba mena fanao amin ‘ny handrina, rehefa manafika. Natolotra ny zandary ao Ambodirano izy, ny 28 Novambra lasa teo, hanaovana ny fanadihadiana lalina. Ny 29 Novambra tamin’ny 5 ora maraina, nentina hanoro ny toerana isitrihan’ireo namany izy. Teny an-dalana anefa, dia nanararaotra ny tsy fahampian’ny zandary izy, ka nitsoaka. Efa nanaovana fampitandremana hijanona izy, nefa vao mainka nirifatra. Voatery nampiasa basy ny zandary, mba hampijanonana azy. Vokany, voatifitra izy ary novonjena ihany, saingy tsy tana ny ainy. Araka ny vaovao marim-pototra, isan’ireo dahalo raindahiny mpampihorohoro ao Manambidala sy Mahazoarivo izy ary efa nokarohina hatry ny ela. Mitohy ny fikaroham-baovao momba ny naman’ity dahalo ity.




