Songadim-baovaoSosialy

TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO: Nanainga omaly ny andiany voalohany amin’ireo tohana ara-tsakafo

Indraindray fihetsika kely fotsiny ihany dia hahafahana manova ny fiainan’ny hafa. Izay no maha zava-dehibe ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana”, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina, Filohan’ny Fikambanana Fitia, omaly, nandritra ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo aminy sy ny Fondationa BOA. Fiaraha-miasa izay nambarany fa hanova ny fiainan’ny mpiray tanindrazana any atsimon’ny Nosy. Araka izany, nanapakevitra ny hanohanana ny Fikambanana Fitia ao anatin’ny Tetikasa Havotse, ny Fondation BOA, amin’ny alalan’ny famatsiana sakafo. Vary 22,34 taonina, legioma 4,46 taonina, paty 2,23 taonina, sardine 698kilao, Koba aina 4,12 taonina, menaka 120 litatra, ary sira 10 kilao no nomena tamin’izany. Ireo sakafo ireo izay hamatsy ireo « cantines scolaires » amina sekoly miisa 20 ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy. Marihana fa andiany voalohany ihany ireo fiarabe niainga omaly ireo fa mbola hisy ny andiany manaraka hanampy izany.

Hotsinjaraina any amin’ireo fianakaviana tena sahirana avy any amin’iny tapany atsimo iny ireo sakafo ireo. Araka ny fanambaran’ny Solontena avy tamin’ny Fondation BOA, Ramatoa Sidika Akbaraly, ny fampidirana an-tsekoly sy ny sehatry ny fahasalamana no anisan’reo sehatra tohanan’ny BOA, amin’ireo firenena fito misy azy ireo aty Afrika, ka antony mahatonga azy ireo manao ho zava-dehibe ny fanampiana ny any Atsimo. Ity tomponandraikitra ity izay niantso ireo mpisehatra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombona antoka hafa mba hitodika sy hanome lanja ny fanohanana ny any Atsimon’I Madagasikara.

Fermer