PolitikaSongadim-baovao
TSY HIJERENA LOKO POLITIKA NY FAMPANDROSOANA…: Nanome endrika vaovao ny fanaovana politika ny Filoha Rajoelina
Nanolotra ny kamiao sy fanariam-pako ho an’ny Kaominina Ivato ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Miara-miasa amin’ny Ben’ny Tananan’Ivato ny Filoha sy ny Fanjakana na tsy mitovy aza ny loko politika eo amin’ny roa tonta. Araka izany, tonga nanolotra mivantana ny fampitaovana hanadiovana ny tanana ny Filoham-pirenena nanaporofoany izany, omaly.
“Tsy hanao fahirano ny vahoakan’Ivato ny tenako”, hoy ny Filoha omaly nandritra ny fanolorana ireo fitaovana ho an’ny Kaominina Ivato. Manaja sy manaiky ny safidin’ny vahoaka nifidy ny ben’ny Tananan’Ivato ny Filoha, na tsy mitovy firehana politika aminy aza, araka ny nambarany omaly. Vahoaka malagasy ihany koa ny mponina ao Ivato ka manana anjara misitraka ny fampandrosoana avy amin’ny Fanjakana, hoy hatrany izy.« Ny mponina sy vahoaka dia iray ihany. Ny vahoaka anao dia vahoakantsika rehetra. Ny vahoaka no jerentsika ka hampandrosoana tanteraka eto amin’ny kaominina Ivato ity » hoy ny Filoha. Vavahadin’i Madagasikara ihany koa ny kaominina Ivato ka mendrika hisitraka fampandrosoana. Samy nahazo kamiao lehibe iray avy, miaraka amin’ny fanariam-pako miisa 3 ny kaominina Ivato, Ambohibao Antehiroka sy Mahitsy. Hisitraka fotodrafitrasa roa goavana ihany koa ny ao Ivato eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Araka ny fantatra dia hahazo kianja synthétique sy hanamboarana gymnase ny kaominina. Omena efitranon-tsekoly manarapenitra maro ihany koa ny kaominina ka hofaritan’ny Ben’ny Tanana sy ny Cisco ny Faritra maika tena mila izany. Fantatra fa iray sady efa antitra ny sekoly CEG misy ao an-toerana amin’izao fotoana.
Tsy mitovy firehan-kevitra
Azo sokajiana ho fanomezana endrika vaovao ny fanaovana politika eto Madagasikara tokoa ity nataon’ny Filoha Rajoelina ity. Tany aloha tokoa mantsy dia saika tsy norarahina sy natao ankilabao hatrany ireo Kaominina manana ben’ny tanàna tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny mpitondra. Manova tanteraka an’izany fomba fanao politika izany ny Filoha ankehitriny, ary noporofoiny tao Ivato izany omaly. Ankoatra ireo efa voatanisa ireo, dia fantatra fa hojerena koa ny mahakasika ireo mpampianatra FRAM ao an-toerana. Hojereny ihany koa ny momba my hamahana ny olan’ny tany tokony hampiasain’ny vahoaka hanaovana fotodrafitrasa momba ny fanatanjahantena ao an-toerana. Ary namaly avy hatrany ny fangatahan’ny Ben’ny amin’ny hanamboarana ho moderina ny birao koa ny Filoha. Ity farany izay nanome toromarika manokana ny Governora ny hanetsenana ireo lalana lavadavaka ao an-toerana izy. Hapetraka ao amin’ny kaominina ihany koa ny jiro LED ho fanomezana endrika ny tanana ao anatin’ny fampivoarana an’Ivato ho vavahadin’i Madagasikara.
Ny Fanoratana.



