Vaky Bantsilana
Tsy mandihy raha tsy afa-tavony!
Ravoravo ny saina, miramirana ny endrika raha ny hita sy re eny rehetra eny! Hita soritra tokoa fa efa miha adino tsikelikely ny fahoriana nentin’ny valanaretina namoritra teto nandritra ny dimy volana lasa. Miala tsikelikely amin’ny fihibohana raha ny akon’ny zava-misy any anatin’ny fiarahamonina rehetra any. Na eo aza ny mbola fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana, toy ny fanaovana ny arotava, izay toa zary tandra vadin-koditra ankehitriny, ka raha sendra manadino azy toa mihevi-tena ho tsy misalotra atin’akanjo izany! Soa tokoa no nentin’ireny fepetra maro napetraka tsy hiparitahan’ny valanaretina ireny, na dia nataon’ny sasany ho hadalana aza. Eo aloha iny, fa ny tena marina dia efa miha miverina amin’ny laoniny avokoa ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana. Asa, noho ireo fepetra napetraky ny Filoham-pirenena tapa-bolana lasa, mikasika ny nanitarana ny fe-potoam-piasana sy ny fahafahana mivoaka ny trano hatramin’ny 5ora hariva ve, sa kosa noho ny fanitaran-tsaina vokatry ny hamafisan-dohan’ny sasany fotsiny ihany, ka na dia efa voafetra ho amin’io ora io aza, ny fotoana hahafahana mamita ny lahasa rehetra, toa tsy ampy amin’ireo mazan-doha izany, fa mbola misy ireo manitatra amin’ny nahim-pony. Anisany hita amin’izany ireo toeram-pivarotana enta-madinika ilaina andavanandro, sy ireo toeram-pisakafoanana sasan-tsasany eto an-dRenivohitra. Ny any amin’ireo tanàna somary milamindamina tsy dia ahitana mpitandro filaminana mandalo firy no tena mpanararao-paty amin’izany! Mitangorona izay tsy izy anefa ny olona, ka na ireo efa any an-tranony aza, mivoaka mitady entana ilainy amin’iny alina iny, maika moa fa ireo hikasa ny hody tratra hariva, mbola mieritreritra ny tsy ampy ao an-tokantranony?
Sombiny ihany ireo voatanisa, fa raha ny zava-misy iainan’ny mponina amin’izao fotoana aloha toa mifanohitra tanteraka amin’ireo fepetra mbola mitombina hatramin’ny alahady izao, izay fotoana hahataperan’ny 15 andron’ny “Hamehana ara-pahasalamana” farany ity. Raha ny any afovoan-tanàna toa mampitapim-bava mihitsy, satria tsy ahitana soritra fihibohana izany velively! Ny eny amin’ny fantsakana manohy hatrany ny fomba fanao hatramin’izay, mitabataba sy mifampitakoritsika akaiky, lavitra azy izany arotava izany. Ny kilonga madinika manohy hatrany ireo karazan-kilalao an-tany malalaka, toy ny baolina sy ny papango, tsy manana ahiahy akory amin’izay mety ho fahasalamany. Ny toeram-pivarotana anaty tanàna mampitangoron’olona izay tsy izy, tsy misy anefa na iray aza mahatsapa tena hoe toy ny tsy mitondra atin’akanjo tsy misy arotava, manginy fotsiny ny mpiloka mitsitokotoko mifampitoraka piti-drora, mbamin’ireo sisa maro tsy ho voatanisa. Fahamazanan-doha no betsaka, fa na ireo tompon’andraikitra natao hanara-maso izany aza, toa mitazam-potsiny sisa, manao tsobo-dranon-dRamiangaly fotsiny, fa ny fanaraha-maso tany am-boalohany ihany no toa tena zavatra amin’izy ireo izy, fa ny sisa mandeha ho azy… Ny aretina, anefa, tsy mifidy hasiana ka izay voany mety tsy mbola tonga saina. Ny mampalahelo anefa, ireo olom-bitsy mba miezaka mitandrina no mizaka ny olana aterak’izany.
Fehiny, tsy mbola vita ny ady atao amin’ity valanaretina eto ity, ka nahoana no handihy tsy afa-tavony toy izany sahady? Etsy an-kilan’izany kosa aloha, mahafaly ny mandre ireo antontanisa avoakan’ny Foibem-pibaikoana io valanaretina io, isan’andro, iray volana sy tapany teo izay. Midina hatrany ny taham-pahazoana ny tsimokaretina amin’ny fitiliana atao sy mbola mizotra hatramin’izao. Raha ny nivoaka roa andro farany izay, tsy mihoatra ny 100, fa 65 sy 80 teo ihany. Mifanindran-dalana amin’izany koa ny isan’ireo olona efa sitrana, izay mihoatra lavitra amin’ireo mbola manaraka fitsaboana. Maherin’ny 90% izao ny tahan’antontanisa amin’izy ireo ,oharina amin’ireo efa nitondra ny tsimokaretina hatramin’izay. Mihena, noho izany, ireo olona mbola manaraka fitsaboana. Ezak’ireo mpisehatra ara-pahasalamana izany, ezak’ireo mpampahalala vaovao manana adidy hanabe vahoaka, ary koa ezaky ny fitondram-panjakana sy ireo mpitandro filaminana, mikaroka sy mampanara-dalàna hivoahana amin’ity krizy ara-pahasalamana ity. Ny marivo salosana no mihevitra izany ho efa milamina, fa ireo malina kosa, mitandrina hatrany, mba ho tafavoaka amin’ny fotoana farany. Ny Gasy mantsy mora manadino, mbetika koa mandihy tsy afa-tavony sy tsy mahari-pery, ka sendra ny patsa iray… vao tonga saina! Tsotra, efa manangasanga ny fandresena ka ilàm-paharetana kely…