Vaky Bantsilana

Tsy mba naman’izay mihemotra…

Roso hatrany ny dia eo amin’ny lafiny fampandrosoana ! Na mbola tsy maharesy lahatra tsara io fahavalo efa andalam-paharesena amin’izao io, aza, tsy maintsy ambony hatrany ny moraly, ny fampandrosoana tsy misy andraso andraso satria fanavotam-pirenena no mifantsika ao an-doha. Ny sori-dalana ho amin’izany koa efa voapetrapetraka tsara hatrany am-boalohany, izay voafefin’ireo “Vina” maro samy hafa misy andininy maro, ka nahoana tokoa no tsy hirosoana? Rariny loatra raha nivoaka tamin’ny fihibohana isika. Tsy nohon’ny fanapahan-kevitra kitanotano, anefa, fa fanapahan-kevitra natao am-pahendrena, niankina tamin’ny zava-misy niaraha-niaina sy niaraha-nanezaka ka milaza miara-mahita. Iaraha-mahalala ihany koa ny zava-nisy naterak’izany fihibohana teo izany, na ny ara-toekarena izany, fa indrindra ny ara-tsosialy izay nampikaikaika ny maro ka nikaroham-bahaolana haingana io. Voamarin’ny antontanisa maneran-tany izany, fa isika dia anisan’ireo firenena nanana paikady mahomby niadiana tamin’io fahavalo iraisana eran-tany io. Raha tsiahivina vetivety, tafiditra hatrany teo amin’ireo sokajy telo voalohany voafaritry ny manam-pahaizana mpanao fanadihadiana mikasika ny mety ho toetoetra sy fizotran’ny SARS COV-2 (covid-19) io isika, ka sanatriavina kosa ny hihoatra lavitra amin’izay fivoarana efa mahavelom-bolo loatra io. Miankina amin’ny tsirairay hatrany, anefa, ny ho avy na ho soa na ho ratsy…

Fampandrosoana amin’ny lafiny maro no efa natomboka, na mbola tsy tafiditra teto aza, ny valanaretina covid. Ankehitriny kosa, nahatsapa ny mbola fahalaviran-dalana ny fitondram-panjakana, satria tokoa tsy misy tompon’ny fotoana fa ny fivelesana ny vy dieny mbola mahamay no imasoana. Hita sy re ireo ezaka maro samihafa, fa anisany fampandrosoana koa mantsy, ny ara-tsosialy. Ny fandrosoan’ny vahoaka ao aminy tokoa mantsy no taratry ny tena fandrosoan’ny firenena iray. Ny omby mahia tsy lelafin’ny namany, ka hita hatramin’izao ny famokisana ireo kibo noana, ketraky ny fihibohana teo ireny. Tsy izany ihany, fa maro amin’izao fotoana ireo ezaka ataon’ny fitondram-panjakana, eo amin’io lafiny fampandrosoana io, eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy lafiny fandriam-pahalemana, ankoatran’ny ara-tsosialy izay efa hita taratra tokoa fa mivaingana. Ireny fitetezam-paritra maro samihafa ireny no midika fampandrosoana, satria tsy fandehandehanana fotsiny handaniam-bolam-bahoaka, fa fametrahana amin’ny toerany izay fampandrosoana izay. Raha ny hita tao an-dRenivohitr’i Vakinankaratra fotsiny izao, dia hita taratra ao tokoa ireo fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra. Torak’izany ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra, sy ny fametrahana ny maha izy azy ny kolontsaina, mba tsy ho maty momoka fa ho dimbiasan’ny taranaka faramandimby. Ireo voatanisa ireo dia tamin’ny alalan’ny fametrahana vato fototry ny fampandrosoana avokoa.

Fa anisany taratry ny fandrosoan’ny firenena iray ihany koa, ny lafiny fanabeazana. Io no maha firenena ny firenena, ary maha olombanona ny olona iray. “lova tsara indrindra”, hoy ny kolontsaintsika malagasy, satria tsy mba tranobe mijoalajoala no entina hilazana fa lova.  “Adala ny toa an-draniny”, ka izany no entina hilazana fa zava-dehibe ny lafiny fanabeazana, fa indrindra amin’izao fametrahana fampandrosoana maharitra eto izao. Rehefa nandalo teo ireo olana maro samihafa, izay nanembatsembana ny lafiny fanabeazana teto amintsika, dia azo lazaina izao fa hisy vokany tsara eo anatrehan’ireo kilonga malagasy izay manana andry iankinana noho ny fijoroan’ny minisitera ara-dalàna izy ireo, toy ireo departemanta maro samy hafa efa mijoro izany. Tsy hivalamparana ny efa lasa, fa andeha adika tsotra amin’ny hoe “Masina ny fanabeazana” ka lozan’izay nanao na hikasa hanimba izany eto amin’ity tanindrazana iombonana ity. Vita izay ny fanadinam-panjakana CEPE, izay fantatra fa hivaly amin’io herinandro hitsidika io. Maro ireo nitaintaina na Ray aman-dReny na ny ankizy. Voalaza ombieny, anefa, fa “tsy misy Ray aman-dReny hanolo-bato mafana an-janany” izany, ka na ventesina hatrany aza ny hoe “tsy nisy fianarana fa misy fanadinana”, nanana ny paikadiny nentina nanatanterahana ny fandaharam-pianarany avy, avy amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana, ireo sekoly maro. Ny irariana dia ny hahafahan’ny rehetra fanadinana, saingy hisy hatrany ny “saonjo iray lohasaha”, rehefa niteny ny fitondram-panjakana fa tsy maintsy hisy ny fanadinana, dia mba efa niomana avy ny isan-tsokajiny, niaraha-mahita sy mahalala izany. Tsy vitan’ny samirery ny fampandrosoana fa tsy maintsy hiaraha-misalahy izany, amin’ny alalan’ny andraikitra manandrify ka alao hery, fa “isika tsy mba naman’izay mihemotra”, raha ny tarigetran’ny Filoha…

Stan R.

 

Voir Aussi

Fermer
Fermer