Trangam-piaraha-monina

TSY NANAIKY NOSAZINA : Zandary mpiana-draharaha nitifitra nahafaty ny lehibeny

Hasahiana tsy roa aman-tany ! Maty notifirinny zandary vao mpiana-draharaha ny lehibeny, ka teo aminny lamosiny sy ny tendany ary ny kibony no voa. Tsy iza io lavo io fa ny Kapiteny, kaomandà Goupement Beroroha, omaly tokony ho taminny 8 ora maraina. Araka ny fanazavana azo, dia nosazinny lehibeny ity zandary vao mpiana-draharaha ity, saingy nandà izany, ka izao niafara taminny fitifirana izao. Taorianizay, niezaka nitifi-tena koa ity farany, ka namoy ny ainy. Nirosoana avy hatrany ny famotorana, ireo tomponandraikitra mikasika ity raharaha ity. Efa tonga nidina any an-toerana nandeha taminny angidimby ny komandinny zandarimariam-pirenena nizaha ny tena zava-misy marina.
Marihina, fa kapiteny izay Komandin’ny CSAO Beroroha, no namoy ny ainy, notifirin’ny zandary mpiana-draharaha, izay eo ambany fifehezany omaly maraina, tao amin’ny toby CSAO any an-toerana. Avy tany Beroroha tany io zandary mpiana-draharaha io ary nony tonga tao amin’ny toby dia io namono ny lehibeny io. Raha ny fanazavana hatrany, dia efa mafimafy loha moa io mpiana-draharaha io ary nanana olana tamin’ny lehibeny hatrany, araka ny voalaza. Andrasana ny mety ho tohiny. Na inona na inona fahatezerana, dia mila mahay manindry fo amina toe-javatra iray, mba tsy ho tonga tanteraka aminny tendrom-po tsy mba namana tahaka izao, izay miteraka nenina avy eo.
Pierre M.

Sary: Ilay Kapiteny namoy ny ainy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer