PolitikaSongadim-baovaoToekarena
“USAID” HO AN’NY 5 TAONA MANARAKA: Hamatsy vola maherin’ny 490 tapitrisa dolara ho an’ny fampandrosoana
Notanterahana omaly Talata 16 febroary tao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ny fanehoana ny paikady vaovao ho an'ny asa fampandrosoana eto Madagasikara (CDCS) 2020-2025 nataon’ny Usaid. Nohamafisin’izy ireo fa mitoetra ho mpiara-miombona antoka voalohany ho an’ny fampandrosoana eto Madagasikara hatrany ny Usaid, ary vola maherin’ny 490 tapitrisa dolara no fanampiana kasaina homena an’I Madagasikara mandritra ny dimy taona ho avy.
“Niasa mafy izahay nanomana paikady vaovao ho an’ny asa fampandrosoana ataon’ny USAID eto Madagasikara. Androany ary dia hafaliana ho anay ny nizara ny drafitra vaovao izay haharitra dimy taona niaraka tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, Dr. Liva Djacoba Tehindrazanarivelo sy ireo minisitra ao amin’ny governemanta malagasy », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny USAID, omaly. Ao anatin’izany drafitra stratejika vaovao izany, ny Governemanta amerikana dia hijanona ho mpiara-miombon’antoka ho an’ny fampandrosoana lehibe eto Madagasikara, izay hamatsy vola mitentina maherin’ny 490 tapitrisa dolara ho fanampiana amin’ny fampandrosoana mandritra ny dimy taona ho avy hanatsarana ny fiainana sy ny fahafaha-miaritry ny vahoaka malagasy.
Notsipihin’ny Mpanolotsaina voalohan’ny Masoivoho amerikana Glucksman ny fiaraha-miasa akaiky misy eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara raha nilaza izy fa « I Etazonia sy i Madagasikara dia toy ny ‘mpirahalahy mianala; ianao tokiko, izaho tokinao’ eo am-pitadiavana ny fanatsarana ny fahafaha-manao, ny fitantanana sy ny fanjakana tan-dalàna, ary ny fanomezana vahana bebe kokoa ny fihariana eo amin’ny lafiny fambolena sy tontolo iainana.”
Nandritra izany famelabelaran-kevitra izany no nanaovan’ny USAID topimaso ny asa tanterahany ankehitriny, sy nanolorany ny paikady vaovao ary ireo tanjona telo izay hitondra ny asa fampandrosoana manaraka ny paikady vaovao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahafaha-manao, ny fanatsarana ny tamberin’andraikitry ny Fanjakana, ary ny fanamafisana ny fahafaha-mihary. Niaraha-nidinika tamin’ny Fanjakana malagasy sy ny mpisehatra hafa eo amin’ny fampandrosoana ny famolavolana ity paikady vaovao an’ny USAID ity.
Sehatry ny fahasalamana
Maro ny sehatra voaresaka nandritra ity fihaonana ity, anisan’izany ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana izany ny USAID amin’ny alalan’ireo tetikasa fanilony, toy ny tetikasa Mahefa miaraka, ACCESS, RANO WASH, WADA, IMPACT, RISE, Health Policy Plus, digital square projetc-PATH, PMI Measure Malaria, PMI Impact Malaria,…
Araka izany, mitoetra ho isan’ireo tanjona voalohany hotratrarina anatin’ity paikady USAID ity ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara. Manamafy ny fahafahan’ny olona mandray anjara amin’ny fampandehanana ny firenena ho any amin’ny fahaleovan-tena mihafaingana no tanjona, araka ny fanazavana. Ao anatin’ny fiarahamiasa amin’ny Usaid, noho izany, azo heverina ny hisian’ny fananganana fihetsika ara-pahasalamana sy fikarohana fitsaboana ary fenitra ara-tsosialy. Eo koa ny mety ho fiakaran’ny fahafahana sy fahazoana misitraka fanampiana ara-pahasalamana, ara-tsakafo ary Wash tsara kalitao, ireo loharanon-karena ho an’ny fahasalamana sy ny « WASH mobilisées et optimisées ». Hisy koa ny fanamafisana ny fitondrana, ny fitantanana, ary ny « leadership » an’ny fahasalamana sy ny WASH. Tsara ho fantatra fa isany nanome voninahitra ny fotoana, omaly, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Prof. Rakotovao Hanitrala Jean-Louis sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta maro.




