SamihafaSongadim-baovaoSosialy

VADIN’NY FILOHA TANY ATSIMO: Namarana ny diany tao Ampanihy sy Beraketa

Mahatsiaro manana andraikitra amin’ireo mpiray tanindrazana any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, antony nidinana ifotony tany an-toerana, nanomboka ny talata lasa teo. Izy izay sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, misehatra indrindra amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, ka tsy nataony ho diso anjara amin’izany ireo Malagasy any Atsimo. Naharitra telo andro ny fidinana ifotony nataon’ny vadin’ny Filoha, ka tao Ampanihy sy Beraketa no namarany izany, omaly. Araka izany, toerana dimy tao amin’ny Faritra Anosy, Androy, ary Atsimo Adrefana no voatsidika tao anatin’ny telo andro. Nizara roa ny asa sosialy nataon’ny Fikambanana Fitia, niankina tamin’ny filàn’ny mponina. Nisy ireo nila vonjy maika, ka nitondrana avy hatrany ireo sakafo masaka. Nisy koa anefa tetsy ankilany, ireo nomena masomboly sy fitaovana famokarana mba ho vahaolana maharitra ho azy ireo.

Notolorana masomboly

Ho an’ny tao amin’ny Distrikan’Ampanihy manokana, fantatra fa ny 1%-n’ny zaza no tratran’ny tsifanjariantsakafo lalina, araka ny antontanisa avy any an-toerana. Antony nanoloran’ny Fikambanana Fitia sakafo tao amin’ny Kaominina Ampanihy andrefana. Nisy sakafo ho an’ny olon-dehibe, nisy koa koba aina ho an’ny Ankizy. Haharitra 15 andro izany fizarana izany, hoy ny fanazavana. Ankoatra izay, masomboly voafantina toy katsaka, mangahazo, legioma no natolotry ny Vadin’ny Filoha ireo vehivavy tao Ankiliabo Ampanihy, sy ny tao Beraketa, miaraka amin’ny zezika sy ny fitaovam-pamokarana toy ny Kubota, Moto pompe. Olona maherin’ny 600 000 no everina fa afaka hahazo sakafo afaka enim-bolana, avy amin’ireo masomboly ireo, hoy I Mialy Rajoelina. Nampirisika ireo vehivavy ao Beraketa ihany koa izy mba hazoto amin’ny famokarana satria izany no lalan-tokana hahafahana mioitra amin’ny fiainana sy miady amin’ny Kere.

Fermer