PolitikaSongadim-baovao

VADINTANY ETO MADAGASIKARA: Mbola tsy ampy ny isa, olona maro no mbola tsy mahalala ny tena andraikiny

Hevi-draikitra avy hatrany no mby ao an-tsain’ny maro raha vao miresaka hoe “Vadintany”. Betsaka tokoa mantsy no mihevitra fa mpandrava trano sy mpanala olona amin’ny trano ihany no asan’ny Vadintany, kanefa, ampahany kely amin’ny asan’izy ireo ihany izany.

Sakana iray tsy hahafahan’ny Vadintany miasa sy manatanteraka ny iraka nampanaovina azy ny tsy fahalalan’ny olona ny tena asan’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Holafitry ny Vadintany, ny vadintany dia tsy mpamaky trano na mpandroaka olona amin’ny trano fotsiny ihany. “Mahasorena ny olona matetika ny miresaka amin’ny Vadintany noho io asany iray io”, hoy ny fanazavana. Mbola ny vadintany koa anefa no mpampiditra ny ady rehetra na mikarakara ny ady rehetra ho an’ireo rehetra izay manana olana eo anivon’ny Fitsarana, mpampafantatra ny didim-pitsarana, mpampihatra ny didim-pitsarana, ary indrindra, ny vadintany no eken’izao tontolo izao sy ny fitsarana amin’ny fanamarinana na fampananan-kery ny fitanana an-tsoratra iray.

Fifamindram-pahefana

Ankoatra izay, miisa 146 hatreto ny isan’ny vadintany eto Madagasikara. Isa izay tsy mbola mahenika an’I Madagasikara. Mbola ezaka ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny noho izany, ny hametrahana vadintany amin’ireo tribonaly manerana an’i Madagasikara. Na izany aza, fantatra fa amin’izao dia efa vitsy ny tribonaly tsy misy vadintany. Isan’izany ny tribonaly ao Morombe, Ampanihy, Maintirano, Betroka, Miandrivazo. Manoloana ireo sakantsakana samihafa ireo dia mbola misedra olana ny Vadintany eto amintsika. Mbola manampy trotraka ihany koa ny tsindry isankarazany ataon’ny tomponandraikitra, toy ny Solombavambahoaka any amin’ny toerana hanatanterahana ny iraka.

Tsara ho marihina fa tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Filohan’ny Holafitry ny Vadintany teo aloha sy ny Filoha vaovao, Rakotonirina Alain. Nandritra ny lahateniny, dia nanao tatitra fohy ny asa vita teo aloha ny tenany. Isan’izany ny nampidirana vadintany vaovao izay miisa teo amin’ny 30 teo ho eo. Teo koa ny fanavaozana ny satan’ny vadintany, izay tena asa goavana natao. Efa miditra any amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana io Sata vaovao io, ary alefa any amin’ny Antenimiera roa tonta, raha ny fanazavana. Etsy ankilany, paikady vaovao apetraky ny Vadintany ankehitriny ny fiarahamiasa amin’ny Fanjakana. “Hojerena miaraka amin’ny Fanjakana mahefa ny fomba hanatanterahana ny didim-pitsarana izay mbola tsy tanteraka. Marihina fa noho ny valanaretina Covid-19 dia mbola maro ireo didim-pitsarana tsy tontosa. Tato anatin’ny telo taona izay dia tsy mbola nisy mihitsy fandroahana olona tamin’ny toerana nisy azy”, hoy hatrany ny fanazavana.

Fermer