Songadim-baovaoSosialy

VAHAOLANA AMIN’NY FAKO ETO AN-DRENIVOHITRA: Vita ny fanamboarana natao teny amin’ny toby Andralanitra

Taorian’ny nanomezan’ny Filoha Andry Rajoelina ny baiko amin’ny handraofana ny fako sy hanadiovana ny tanànan’Antananarivo renivohitra dia sehatra marolafy no naneho fahavononana hanolo-tanana amin’ny fampiharana izany. Isan’ireny ny avy amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy (MTP) izay nandrindra ny teny amin’ny tobim-pako Andralanitra, ankoatra ny fanesorana fako tamin’ny toerana maromaro.

Misedra olana ny toerana fanatobiana fako eny Andralanitra rehefa ao anatin’ny fotoam-pahavaratra toy izao. Io toerana io izay mandray ny fako andavanandron’ireo boriborintany enina eto Antananarivo renivohitra efa taona maro izao. Noho izany indrindra, miha feno ankehitriny io toerana fanatobiana fako io. Miteraka fahasarotana ho an’ireo fiarabe mpitatitra fako ny fidirana ao amin’ny toby rehefa milatsaka ny orana. Tery ny lalana, tsentsina ihany koa ireo lakan-drano, ka lasa mampalama ny lalan’ireo fiara ny fifangaroana eo amin’ireo fako, fotaka, sy rano maloto. Vokatr’izany, nisy ny fihatoana fohy tamin’ny fahafahana manatitra fako teny Andralanitra, ary niteraka fitohanan’ireo fiarabe mpivezivezy eny ihany koa izany. Antony iray heverina ho nampihisitra ny fandraofana fako teto an-drenivohitra io tranga io.

Taorian’ny nanomezan’ny Filoha Andry Rajoelina ny baiko amin’ny handraofana ny fako sy hanadiovana ny tanànan’Antananrivo renivohitra faran’izay haingana tamin’ny 17 janoary lasa teo dia sehatra marolafy no naneho fahavononana hanolo-tanana amin’ny fampiharana izany. Isan’izy ireny ny avy amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy (MTP). Asa nifantohan’ny Minisitera, araka izany, ny fandrindrana ny eny amin’ny tobim-pako Andralanitra, ankoatra ny fanesorana fako tamin’ny toerana maromaro. Nifantohan’ny asa tao anatin’izany ny fanamboarana ny lalana miditra ao amin’ny toby. Nanomboka ny 19 janoary lasa teo ny asa ka efa vita tanteraka kosa amin’izao fotoana, rehefa naharitra roa herinandro. Marihana fa nizara roa mazava tsara io asa fanamboaran-dalana nataon’ny MTP teny Andralanitra io. Voalohany amin’izany ny fanilihana ireo fako nibahan-dalana sy ny fanesorana ny fotaka mba hampalalaka ny lalana. Fiara sy fitaovana vaventy maro no nampiasaina tamin’izany, toy ny “trax”, “pelles”, sy “bull”. Asa faharoa natao kosa ny fanamafisana ny “piste” mba haharitra kokoa.

Hatramin’ny omaly moa, efa malalaka sy azon’ireo fiarabe mpitatitra fako hivezivezena ny miditra eny Andralanitra. Tsy misy intsony ny fitohanana sy ny fahasarotan’ny fanariam-pako. Antenaina, noho izany, fa ho haingana kokoa manomboka eto ny fandraofana ireo fako mbola misavovona amin’ny toerana sasany eto an-drenivohitra.

Sarobidy Sidonie.

Fermer