PolitikaSongadim-baovao
VAHAOLANA MAHARITRA HO AN’NY ANY ATSIMO: Tafapetra ny drafitra hanatanterahana ireo tetikasa lehibe 13
Saika nifantohan’ny adihevitra teto amintsika nandritra ny herinandro vitsivitsy izay ny mahakasika ny olan’ny tsy fanjariantsakafo sy ny Kere any amin’ny Tapany Atsimon’ny Nosy. Tsy mitazam-potsiny anefa ny Fitondram-panjakana, ary efa finiavana politika goavana ny nanatanterahana ireny fikaonan-doha manokana tany Taolagnaro ireny. Ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia teo kosa no namariparitra ireo drafitra hanatanterahana ireo tetikasa maherin’ny folo apetraka any an-toerana.
« Tsy nisy Fitondrana nandray fanamby na « engagement » lehibe hanova iny faritra iny hatreto ankoatr’izao Fitondram-panjakana mahefa izao », hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly raha niresaka mahakasika ny fampandrosoana ny tapany Atsimon’ny Nosy. Tsy misy tsy miaiky ny rehetra fa ny lafiny tsy fanjarian-tsakafo sy ny Kere no anisany olana fototra any Atsimo. Hatramin’izay, tsy nisy nanolotra vahaolana maharitra ny Fitondrana nifandimby. Ny famahana ny olana any Atsimo rahateo tsy vitan’ny vahaolana vonjimaika fa ilàna vina sy fomba fijery ankapobeny satria saika mifampiditra avokoa ireo sehatra rehetra izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatra ny rano fisotro madio, ny fanamboaran-dalàna, ny fampandriana fahalemana, fahampian-tsakafo, fahasalamana, …
Fotodrafitrasa, Angovo,…
Herinandro vitsy taty aorian’ny fikaondan-doha manokana natao tao Taolagnaro, nofariparitana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia teo, ireo drafitra hanatanterahana ireo tetikasa sy hevi-dehibe miisa 13 tapaka tamin’izany. Isany voaresaka ny alarobia teo ny mahakasika ny fampidirana rano, fanadiovana sy fidiovana. Hisy ny fanamboarana ny Pipeline any Efaho izay apetraka amin’ny Ressources propres internes (RPI). Mponina miisa 90 000 no hisitraka ny fisian’ity Pipeline ity mandritra ny phase na dingana voalohany ary miisa 800 000 kosa mandritra ny dingana faharoa. Eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy Lalana, isany hohavaozina ny RN 13, RNT 12A, ary ny RN10. Hisy koa ny fametrahana “Parcs Solaires” any amin’ireo distrika rehetra any Atsimo. “Ity Fitondrana amperinasa ity no fitondrana voalohany nanomana vola manokana hanamboaran-dalana raha toa ka niandry sy niandrandra hatrany ny famatsiana avy amin’ny mpamatsy vola vahiny ireo Fitondrana nifanesy”, hoy ny Filankevitry ny Minisitra. Mikasika ny Angovo, hisy ny fametrahana “Centrales solaires photovoltaïques” ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, toy ny ao Mangily sy Ankao. Tokantrano miisa 2 500 no hisitraka izany. Hisy koa ny fanazavana ny tanàna sy fametrahana parcs solaires izay hisitrahan’ny mponina manodidina ny 120 000.
Fitsinjaram-pahefana, fahasalamana, tontolo iainana, …
Isan’ny vahaolana maharitra apetraky ny Fanjakana any an-toerana koa ny fametrahana ny CRNM na ny “Centre de Rehabilitation Nutritionnelle et Médicale” any amin’ny Distrika dimy toa an’Ambovombe, Amboasary, Ampanihy, Bekily, Beloha. “Ireo CRNM ireo dia ahitana Bankin-tsakafo, trano fisakafoana, ary toeram-pitsaboana. Olona miisa 410 594 no hisitraka izany”, hoy ny fanazavana. Hisy koa asa maro atao amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy fandrindram-piterahana, fanjarian-tsakafo, ny sehatry ny fanabeazana, ny fampivoarana ny tanora sy ny fanatanterahana, ny fampandriana fahalemana. Eo amin’ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana, hisy ny fanorenana tsena mitafo, biraon’ny Kaominina, Tranom-pokonolona, biraom-pokotany manarapenitra. Etsy ankilany, hampiana tosika ny sehatry ny Fambolena, hapetraka ny Atsimo koa ny tetikasa ODOF izay miompana amin’ny fametrahana indostria, ary ny fampiroboroboana ny fiarovana ny tontolo iainana. Marihina fa mandrapa-tanteraka ireo tetikasa lehibe ireo dia hisy hatrany ny vahaolana vonjimaika iarahana amin’ireo tomponandraikitra voakasika vitsivitsy, izay hivory isan-kerinandro.
Ny Fanoratana.




