SamihafaSongadim-baovaoSosialy
VAHAOLAN’NY VIDIM-BARY: Tonga ny vary nafarana 7 000 taonina
Vahaolana vonjimaika napetraky ny Fitondram-panjakana hamahana ny olan’ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny tsy fahampian’ny voka-bary, ny fanafarana vary avy any ivelany. Omaly, nandritra ny fandalovan’ny Filoham-pirenena tao Toamasina no nitsenany ny vary 7 000 taonina nafarana, tamin’ny alalan’ny orinasa SPM.
Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly, ny sambo voalohany nitondra ireo vary milanja 7 000 taonina izay nafaran’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny SPM. Tonga tany an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina nandray izany tamin’ny fomba ofisialy. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nanamafy ny Filoha Andry Rajoelina fa ireo vary mora ireo dia hiparitaka avy hatrany eny amin’ireo tsena manokana isaky ny Fokontany manerana ny Nosy amin’ny vidiny 500 ariary ny kapoaka. Notsindriany fa tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny Fitondram-panjakana hitsinjovana ireo mpiray tanindrazana manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary ny fahatongavan’ireto vary nafarana ireto.
8 500 taonina afaka roapolo andro
Afaka roapolo andro dia higadona ihany koa ny sambo faharoa izay hitondra vary milanja eo amin’ny 8500 taonina. Nambaran’ny Filoham-pirenena fa ho avy isam-bolana ireo sambo hitondra ireo vary nafarana mandra-pidin’ny vidim-bary eny an-tsena mba ho takatry ny fahefa-mividin’ny Vahoaka malagasy. Nampitandrina ireo izay minia mampiakatra ny vidim-bary sy ny mety ho fanararaotana ny mpiray tanindrazana ihany koa ny Filoha. Nambarany fa betsaka ireo manararaotra manafina vokatra dia avy eo mivarotra izany amin’ny vidiny lafo. Etsy ankilany, niaiky ny Filoha fa tsy ampy ny rotsak’orana ary misy fiantraikany ratsy amin’ny voka-bary izany. Antony maha zava-dehibe ny fepetra noraisin’ny Fanjakana tamin’ny nanafarana vary avy any ivelany. “Vary Tsinjo”, io hiantsoana ity vary amidy amin’ny vidiny mirary eny anivon’ny fiarahamonina ity. Mbola mandalo fahasahiranana izao ny vahoaka, hoy izy, ka ilaina ny fifampitsinjovana. Ity andiany voalohany ity dia ireo renivohitra aloha no hisitraka azy. Izany hoe, hiparitaka eto Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara, Toamasina, Mahajanga, sy Antsiranana ny vary manomboka anio.




