PolitikaSongadim-baovao
VAHOAKAN’I MAROANTSETRA : Vonona hanao fanamby miaraka amin’ny Kandidà Andry Rajoelina
Nanao fampielezan-kevitra manerana an’i Madagasikara efa tany Avaratra, tany Antsiranana, Ambilobe, Fianarantsoa, Mahajanga, Antananarivo, Atsimo Andrefana. Raha nitety distrika maro aho dia noporofoin’i Maroantsetra omaly fa tia an’i Andry Rajoelina i Maroantsetra.. Marobe ny zanak’i Maroantsetra afaka bakalorea saingy tsy tafiditra Oniversite. Nametraka fanamby ny kandidà Andry Rajoelina fa hanao Oniversite isaky ny Faritra…
« Anisan’ny voalohany nifidy ahy i Maroantsetra tamin’ny 2018 fa mino aho fa ho voalohany koa amin’ity 2023 ity. Maroantsetra tsy miova loko, Maroantsetra tsy miala amin’i Andry Rajoelina. Maroantsetra hatramin’izay dia nitoka-monina. Vahoaka mihary, vahoaka miasa, vahoaka, tia fandrosoana ny vahoaka eto. Nanalavitra anareo ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana. Tsy nisalasala aho fa vao nangataka ny vahoaka Maroantsetra ary nesorina taminareo ny Faritra. Ny tena fanaovana « décentralisation » dia fanaovana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka. Izay ny tsy nampisalasala ahy hoe rehefa nangataka Faritra ianareo dia nomeko », hoy izy. Hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena ka hatramin’ny 2019 dia 18 ny hopitaly lehibe manerana an’i Madagasikara fa tao anaty dimy taona nitantanako dia nanamboatra 28. Zavatra tsy vita sy tsy natao tao anaty 60 taona nataontsika tao anaty 5 taona, hoy izy nanazava.
Rehefa marary ianareo sahirana amin’ny « bloc opératoire ». Kanefa ianareo mendrika fahasalamana manakaiky vahoaka. Tsy ekeko hoe i Maroantsetra nifidy an’i Andry Rajoelina, kanefa miaina izany. Tsy maintsy anaovana hopitaly manarapenitra goavana misy « bloc opératoire », misy Trano fiterahana i Maroantsetra. Efa nafarana ny « scanner » ary efa tonga ao vao vita ny hopitaly dia asiana « scanner » hoy hatrany ny kabarin’ny kandidà laharana fahatelo. « Izay no ilatsahako filoha satria tsy fahefana no tadiaviko fa matoa aho milatsaka filoha dia hanasoa ny vahoaka. Filoha manakaiky vahoaka, mitsinjo vahoaka, ary manana vina no tadiavin’i Madagasikara. Filoha iray ihany no tena tia anareo sy hampandroso an’i Madagasikara », hoy ny kandidà Andry Rajoelina.
Ny fampandrosoana tsy nisy teto hatramin’izay dia ataontsika eto Maroantsetra. Ny Filoha nanao Oniversite betsaka indrindra teto dia i Didier Ratsiraka satria nanao isaky ny faritany. Fa marobe ny zanak’i Maroantsetra afaka bakalorea tsy tafiditra Oniversite. Ny antsika ny fanamby no ataontsika dia hanao Oniversite isaky ny Faritra. Efa manomboka ny fanamboarana Oniversite lehibe misy « Amphithéâtre » sy efitrano momba ny informatika ary ny sampana atao ao dia mifanaraka amin’ny filan’ny mponina aty. Mbola hotohizantsika ny fanaovana fotodrafitrasa toy ny EPP, Lisea, hoy izy. Misy dikany io laharana fahatelo io. Telo ny isan’ny loko ao anatin’ny sainam-pirenena. Midika fitiavan-tanindrazana. Izay mitondra ny laharana fahatelo no tena tia tanindrazana. Fa midika koa ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy.
« Efa tia ahy i Maroantsetra taminy 2018. Milaza aminareo aho fa mbola ho tia bebe kokoa anareo aho amin’ny ho avy. Isa masina ihany koa io isa telo io satria maneho ny Trinité masina dia ny Ray, zanaka, Fanahy Masina. Ny ahy ny zavatra ataoko dia ankiniko amin’Andriamanitra ary manankina ny asako amin’Andriamanitra aho, mba hahafahako manasoa ny vahoaka.
Tsy mendrika izao « tribune » izao intsony ny vahoakan’i Maroantsetra. Rehefa tonga eto aho aminy manaraka dia hiaraka hitokana ny kianja manarapenitra isika satria tsy maintsy omena Kianja manarapenitra goavana koa ianareo eto. Ny tenin’ny Soratra Masina miteny hoe : « izay natombokao tsy maintsy hofarananao ». Tsy maintsy isika no hitokana ny kianja ary tsy maintsy ho lany isika », hoy hatrany ny fanazavany. Tena tia an’i Andry Rajoelina i Maroantsetra.
Mba hanamarinantsika hoe tena mipetraka marina ilay Faritra dia isika manao fotodrafitrasa manakaiky vahoaka. Nasongadiny fa tsy maintsy anaovana trano ny Governora sy ny Prefe. Efa mandeha daholo ny fananganana fotodrafitrasa tsy nisy natao teto Maroantsetra hatramin’izay. Ny zanantsika mbola mianatra amin’ny tany dia izay no nanaovana sekoly aloha. Nanao EPP mahazaka mpianatra hatrany aminy 600 isika teto Maroantsetra ary efa vita izany. Manamboatra isika EPP, Oniversite hopitaly,…
Lesoka tsy maintsy arenina…
Vonona hanao fanamby miaraka amin’i Andry Rajoelina ny vahoaka eto Maroantsetra. Te hiala amin’ny pétrole sy ny labozia. Tamin’ny fihodinana faharoa izy teto 88% no azony. Anisan’ny telo voalohany manerana an’i Madagasikara. Rehefa lany aho amin’ny 16 novambra dia anaterako jiro misy « plaque solaire » isan-tokantrano, araka ny nampitainy. Nisy solontenan’ny mponina teto nanombohana ny fizarana an’ilay jiro. Afa-trosa amin’i Maroantsetra aho rehefa mahazo jiro daholo ny isan-tokantrano, satria i Andry Rajoelina hitondra hazavana isaky ny tokantrano. Mila mifidy daholo ianareo amin’ny 16 novambra. Matoky i Andry Rajoelina fa « premier tour » dia vita ny ao Maroantsetra
Ny faritra Analanjirofo sy Ambatosoa ity dia faritra mamokatra jirofo sy lavanila. Miakatra ny vidin’ny jirofo amin’izao. Raha 15 000 ariary taloha dia 27 500 ariary amin’izao. Io ilay lalànan’ny tolotra sy ny tinady. Nisedra olana kely isika tamin’ny lavanila, hoy ny kandidà laharana fahatelo. Ny nataoko aloha dia ny hiarovana ny mpamboly. Nisy nangataka « libéralisation ». Isika samy isika ihany no mifanambaka, ny Mpanangom-bokatra sy ny mpanafatra entana. Tsy maintsy ahitantsika vahaolana io. Tsy hitovy amin’ny tamin’ny 2006 aloha hoe 1000 Ar. Fa ezahintsika ny hitazomana ny vidiny. « Mba tsy hisian’ny fanambakana intsony, hametraka isika « unité d’extraction » isaky ny Faritra, izany hoe, eto ihany no haodina ny vokatra amin’izay voatana ny vidiny farany ambany. Hiarovana ny tantsaha sy ny mpamboly no nandraisako ireo fanapahan-kevitra ireny. Na izany aza, tsy nandoro lavanily isika ohatra ny tamin’ny andron’i Zafy Albert sy tamin-dRazanamasy. Fa izay misy lesoka tsy maintsy arenina amin’ny manaraka », hoy izy.
« Isaorako ianareo rehetra manatrika eto. Ny fikambanam-behivavy, ny olon-tsotra. Miantso anareo rehetra aho hifidy aminy 16 novambra hanaporofo amin’izao tontolo izao hoe vonona ny Malagasy. Hiaraka hanova ny tantaran’i Madagasikara isika ary hanova an’i Ambatosoa », hoy hatrany ny kandidà laharana fahatelo.
Betsaka ny zava-bita tao Bealanana…
« Ry vahoaka Bealanana, mbola io ianareo mbola eto ary raha hanao fampielezan-kevitra dia mbola betsaka ianareo no efa teto sy mbola eto. Ato am-poko ianareo marobe tonga androany efa hatramin’ny maraina ary niandry teo foana. Fitiavana lehibe indrindra Rehefa tia ka tsy misy afaka mampisaraka. Fantatro tena tia ahy ianareo ary tena tia tsy mahafoy anareo », hoy ny kandidà Andry Rajoelina.
Tao anatin’ny 5 taona zay. Misaotra anareo raha nisy distrika tena natoky ahy dia isan’ny voalohany ianareo. 78% ianareo no nifidy ahy izay nahatonga ahy niasa sy mbola hiasa omaly anio rahampitso. Maro ny asa vitantsika nahafinaritra ahy hitako taloha ianareo mandeha lalantany. Izao nandehanako teo anaty tanàna, betsaka ny lalana rarivato vita satria mendrika izany vahoaka Bealanana. Ity distirila ity dia tena mamokatra be indrindra. Tantsaha ankamaroantsika eto ka ampiana ny tantsaha, raha ny fanampim-panazavany. Io lalana Bealalana Ambatoria, nangataka ianareo hoe amboary. Efa vita io lalana io izao ary efa misosa.
Inona lalana tianareo atao Bealalana – Antsohihy- Andapa. Iza pdt nanao lalana be indrindra ? Iza nanao rn44 Ambilobe Vohemar rn10, rn9? Izany lalana Ambilobe- Antsohihy godra tao lalantany ary tsy nisy nino hoe ho vita io. Velirano nataoko tamin’ny tao Avaratra io, vita Ambilobe Vohemar. Faly ny any. Ka na misy kandida 1000 aza ianao tohananay, hoy ry zareo.
Raha faritra mamboly vary izany Alaotra Mangoro rn44 Ambatondrazaka – Moramanga lalantany vitantsika izany ankehitirny. Dia mitodika aminareo aho androany (omaly), mangataka hoe amboary io RN 31. Maro ny Prezida nifandimby efa nisy nanao ve io? Iza no mangataka hoe mila amboarina io? Izany « autoroute » mankany Antananarivo-Toamasina tsy nisy nanao izany, fa izaho miteny hoe mila mandroso Madagasikara ankehitirny efa mandeha io « autoroute »io. « Bealanana hatrizay tsy mbola nisy lalana goudron teto. Iza ny ataontsika 100 km mandalo an-tampon-tanàna mankao Antsohihy. Isika tena miasa. Na avadika ambony na ambany. Filoha iray ihany no tia an’i Bealalana. Iray ihany no manana vina tia tanindrazana ary hanakaiky vahoaka », hoy izy.
Tsy hadinon’ny Kandidà Andry Rajoelina Ambatoriha…
« Raha ho aty Sofia, dia nandalo Bealanana dia fantatro fa miandry ahy sy tia ahy ary indrindra fitiavako anareo Ambatoriha dia tonga eto ny tenako. Ny antony hatongavako eto raha misy kaominina na distrika anisany mamboly vary betsaka dia anisany i Bealanana sy Ambatoroiha. Tsy maintsy ampiana manokana ianareo, mba hampiakatra ny faripiainanareo sy hamoaka ny vokatrareo eto », hoy ny kandidà Andry Rajoelina, omaly.
Tamin’ny 2018 no tonga teto, dia hoy ianareo, mba ampio izahay fa ratsy lalana Ambatoriha Bealalana. Mahafinaritra efa vita sy misosa izany lalana izany. Misy lalana tena mila amboarina dia miala eto mankany Antsohihy. Hatramin’ny 1960, tsy mbola nisy nanao iny lalana iny, noho izany, tonga eto aho hilaza fa ny ankamaroan-dalana ao Bealanana ao efa vita rarivato. « Taloha tsy misy tribonaly dia lasa mankany Antsohihy. Izao efa nanao tribonaly isika dia mankao Bealalana ianareo raha hanao taratasy », hoy izy.
Nasongadiny fa raha namboarina sy natao rarivato ary nopasohina eto Ambatoriha – Bealalana. Natao koa Ambilobe-Vohémar, RN9, RN44, natomboka ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina dia manontany ianareo hoe, mba ahoana izahay ? Efa hitako ny tetibola. « Amboarintsika tara Antsohihy ka hisosa mandalo Bealanana, Ambatoriha, Ambatosoa, Ampandrana, Antsahabe, Ankazobetsay , Antsohihy.
Ny fampandrosoana tsy maintsy ataontsika raha tsy nisy hatrizay.
Misaotra anareo ben’ny Tanàna. Ianareo no fototry ny fampandrosoana. Tamin’ny tetezamita, hoe tsy misy renivohi-paritany, tamin’ny 5 taona lasa, tsy misy distrika hadino intsony dia amin’ny 5 taona manaraka dia tsy hisy intsony ny kaominina hadino », hoy ny kandidà Andry Rajoelina.
Rado Harivelo




