Songadim-baovao
VAKINANKARATRA : Hahazo tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina tsy ho ela
Mizotra mankany amin’ny fanatanterahana ny velirano nataony tamin’ny vahoaka hatrany ny Filoha Rajoelina Andry ankehitriny. Ny sabotsy, ny vato fototry ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ny Faritra Vakinankaratra indray no tafapetraka. Tetikasa izay mifanojo amin’ny vinan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina rahateo, amin’ny fanomezan-danja ny tontolon’ny serasera sy ny fampiroboroboana ny Kolontsaina…

Nitohy ny sabotsy teo ny fitsidiham-paritra nataon’ny Filoham-pirenena tany amin’ny Faritra Vakinankaratra. Isany notontosaina, nandritra izany, ny fametrahana ny vato fehizoron’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ny Faritra Vakinankaratra, tao Vatofotsy Antsirabe. Fotoana izay notarihin’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana. Tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena sy ny vina enti-manandratra an’i Madagasikara, izao tetikasa izao, izay sady fanomezan-danja ny tontolon’ny serasera, no fampiroboroboana ny kolontsaina maro lafy koa. Nanazava ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana, fa hiavaka roa mazava tsara ity Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ity.
« Ny rihana ambany ao anatiny dia natokana manokana ho an’ny sehatra ny Kolontsaina. Ahitana toerana fanaovana fampisehoana mahazaka olona 550 mipetraka ny ao anatiny”, hoy ny fanazavany.
Hisy ihany koa ny trano famakiam-boky izay hisokatra ho an’ny be sy ny maro. Etsy ankilany, atokana ho an’ny serasera ny ao amin’ny rihana ambony, ka hahazo vahana amin’izany ny mpanao gazety tsy ankanavaka ao amin’ny Faritra Vakinakaratra sy ny manodidina. Hisy araka izany ny toerana fanaovana fikarohana sy fikirakirana ireo antontan-kevitra na vaovao ho an’ny mpanao gazety. Ahitana efitra malalaka afaka hanatanterahana valan-dresaka misokatra ihany koa ao anatiny.

Tranoben’ny serasera sy ny Kolontsaina fahenina
Araka ny fanadihadiana, tany mirefy 1000 metatra toradroa no hananganana ny fotodrafitrasa. Ity tranoben’ny Serasera sy ny kolontsaina ao Vakinakaratra ity izany no Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina fahenina manerana an’i Madagasikara. Tsara ho fantatra fa sehatra manan-danja amin’ny Filoha ankehitriny ny serasera sy ny kolontsaina. Noho izany indrindra no nanomezany teti-bola ny minisitera tompon’andraikitra, hanangana ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina fahafito manaraka indray. “zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa tahaka izao mba hisian’ny fifanakalozana hatrany”, hoy ny Filoha.

Velirano faha-11: Hatsangana ny trano fonenana mendrika ho an’ny rehetra
Ankoatra ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina, napetraka ny sabotsy teo koa ny vato fototry ny trano ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ity tetikasa ity izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-11 nataon’ny Filoha Rajoelina Andry, miompana amin’ny fanomezana trano fonenana mendrika ho an’ny rehetra. Araka izany, trano misy rihana mirefy 82 metatra toradroa miisa 80 no hatsangana ao Vatofotsy. “Ity tetikasa ity dia natokana indrindra ho an’ireo olona kelikely fidiram-bola, kanefa maniry mba hanana ny tranony manokana. Andiany voalohany ihany izao tanterahina eto Antsirabe izao, fa hapetraka manerana ny faritra rehetra ity tetikasa ity hisitrahan’ny sarambabem-bahoaka trano mora”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Antsirabe: Tokantrano 1000 nisitraka “Vatsy Tsinjo”

Tokantrano miisa 1000 no nisitraka ny fanampiana “Vatsy Tsinjo” avy amin’ny Fitondram-panjakana ny sabotsy teo, tao amin’ny Faritra Vakinankaratra, ho fanohanana azy ireo ao anatin’izao valanaretina Covid-19 izao. Hetsika izay notanterahana tao amin’ny kianjan’ny Akademia Miaramila Antsirabe. “Fanombohana ihany ny androany fa hisitraka izany avokoa ny fokontany rehetra eto Antsirabe”, hoy ny Filoham-pirenena.
Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nanambaran’ny Filoha Rajoelina Andry ny fametrahana ny Tetikasa « titre vert », tetikasa maodely entina hanomezana asa ho an’ireo izay rehetra mila izany. Amin’ny ankapobeny natao ho fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ity tetikasa ity, ka homena velaran-tany eo amin’ny 10Ha ny olona misafidy hisitraka izany tetikasa izany.
“Ny Fanjakana no manome ny tany sy ny trano hipetrahana ary hahazo fampiofanana amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana ihany koa ireo mpisitraka”, araka ny fanazavana.
Ankoatra izay, ny Fitondram-panjakana ihany koa no mitady lalam-barotra hivarotana ireo vokatra. Aorian’ny dimy taona dia hosoratana tanteraka amin’ireo mpisitraka ny tetikasa ny velaran-tany niasany.
Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro
Nitety ireo tokantrano tao Verezambola, tanàna ambanivohitra Antsirabe ny Filoha Rajoelina. Nozaraina jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo tokantrano tao an-toerana mba hisitrahan’izy ireo hazavana.




