PolitikaSongadim-baovao
VAKSINY COVID-19: Filàm-boatsiary ny an’ny mpanohitra
Ny mpanohitra no anisany voalohany nangataka ny hampidirana ny Vaksiny teto amintsika. Ankehitriny, tonga ny Vaksiny, tsy hita anefa ny mpanohitra fa toa ny tsy fankasitrahana ny karazam-baksiny tonga eto an-tanindrazana indray aza no asetrin’izy ireo. Ny Filohan’ny Repoblika, izay efa nilaza fa tsy hanao Vaksiny indray, no hatao maty henjika fa hoe tsy manao modely amin’ny fanaovam-baksiny, kanefa averina hatrany fa an-tsitrapo ny vaksiny fa tsy an-tery.

Filàm-boatsiary. Io no azo hamaritana ny fihetsiky ny mpanohitra eo anatrehan’ny Vaksiny Covid-19 ankehitriny. Raha tsiahivina mantsy dia, ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagascara na RMDM sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no isan’ireo nitaky voalohany ny hidiran’i Madagasikara anatin’ny initiative Covax eto amintsika. Ny 19 Martsa 2021 dia nandefa taratasy ho an’ny mpandrindra maharitry ny ny asan’ny firenena mikambana eto Madagasikara izy ireo. “Raisiko ho voninahitra ny manoratra ity ho anao” hoy Marc Ravalomanana tao anatin’io taratasy io “mba hanaitra anao ny amin’ny tokony hisian’ny fanaovam-baksiny amin’ny ady atao amin’ity valan’aretina ity, sy ny hangataka ny fanampianao an’i Madagasikara hahazo ny vaksiny amin’ny alalan’ny alliance Covax ». Fangatahana izay nohamafisin’ny fanambaran’ny RMDM ny 30 martsa 2021, ary ataon-dry Me Hanitra Razafimanantsoa sy Fidele Razara Piera ambetin-dresaky ny fandaharana “Miara-manonja” saiky isan’andro. Fantatr’izy ireo tsara anefa fa ny “AstraZenaca” izay vokarina any Inde ary mitondra ny anarana hoe “Covishield” ihany no omen’ny mécanisme Covax na aiza na aiza.
Ankehitriny, tonga Vaksiny Covishield avy amin’ny Initiative Covax, dia mbola ireo mpanohitra ireo ihany indray no manisy resabe amin’ity karazam-baksiny ity. Tonga hatramin’ny hoe Vaksiny efa nahitana voka-dratsy maneran-tany ve no ampidirin’ny Fanjakana eto? Kanefa tsara ho fantatra fa tsy ny Fanjakana mihitsy no misafidy rehefa miditra ao anatin’ny Initiative Covax. Ary tsiahivina koa fa nisy ny fihaonana indroa miantoana teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Akademiam-pirenen’ny Mpitsabo (ANAMEM) izay namaritra karazam-baksiny efatra, izay mety amin’i Madagasikara, ary isan’izany ny Covishield. Dikan’izany, tsy misy tokony hanenjehana ny Fitondram-panjakana mihitsy amin’ity karazam-baksiny tonga eto an-toerana ity.
Tonga àry ny Vaksiny, aiza ny mpanohitra?
Efa nisokatra nanomboka tamin’ny herinandro ny fisoratana anarana amin’ny fanaovam-baksiny, ary omaly no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny fanaovana izany. Ny Fanontaniana mipetraka dia hoe aiza ny mpanohitra? Aiza ilay olona nanoratra taratasy tany amin’ny ONU nangataka ny hampidirana ny Vaksiny avy amin’ny Alliance Covax? Hatreto aloha dia tsy hita no misy azy eo anatrehan’ny Vaksiny. Ny mahagaga aza dia ny Filohan’ny Repoblika izay efa nilaza fa tsy hanao Vaksiny indray no tadiavin’izy ireo, hoe aiza no toa tsy manao ohatra ho an’ny Vahoaka? Mbola tafiditra ao anatin’ny Filàm-boatsiary ihany anefa izany satria efa nolazaina ombieny ombieny fa tsy an-tery ny fanaovana ny Vaksiny. Ary ny solontena maharitry ny Firenena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara, omaly, dia mbola nanamafy izany. Ity tomponandraikitra ity izay nanamafy fa olona mitovy amin’ny olom-pirenena rehetra ny Filoha, ka manan-jo hisafidy na atao na vaksiny na tsia.
Tsy manery ny Fanjakana, manohy manara-maso
Araka izany, na tonga aza ny vaksiny, tsy mbola niova ny hevitry ny Fitondram-panjakana momba ny vaksiny iarovana amin’ny COVID-19 : manohy ny fanaraha-maso ny fahombiazan’ireo vaksiny na tsia. Nanamafy izany ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana tsy hanery ny olona hanao vaksiny. “Vaccination ciblee” no hatao hoy ny Filohan’ny Repoblika nandritry ny tafa tamin’ny mpanao gazety farany nataony ny alahady 2 mai 2021, ka “ireo maniry ny hatao vakisiny ihany no hatao”. Tsy misy arak’izany ny fanerena ny olon-drehetra hanao vaksiny na ny “vaccination de masse”. Raha ny fanampim-panazavana hatrany dia fitandremana no antony. Ary mbola io fitandremana io ihany koa no nahatonga ny Fitondram-panjakana namaritra fa “ny Fitondram-panjakana irery ihany no mahazo manafatra vakisiny”.
Ny Fanoratana.


