Songadim-baovaoSosialy
VAKSINY COVID-19: Firenena maro nanatsahatra ny fampiasana azy
Ankoatra ny ao Eoropa, firenena maro manerana izao tontolo izao no efa nijoro vavolombelona ny fisiana voka-dratsy tamin’ny nampiasana ny voalaza fa vaksiny fanefitra ny Covid-19, indrindra ilay antsoina hoe “AstraZeneca”. Danemark, Norvège, Estonie, Lituanie, Lettonie, Luxembourg, ireo no ampahany amin’ireo firenena ao Eoropa nanapa-kevitra ny hanatsahatra ny fampiasana ity vaksiny ity. Farany teo, fantatra fa nanara-dia azy ireo koa I Allemagne, sy Frantsa. Ny fanahina fa misy voka-dratsy aterany eo amin’ny lalan-dra no voalaza fa anisany antony nahatonga ireo fanapahan-kevitra ireo. Araka ny fanazavana, betsaka tamin’ireo olona natao vaksiny tamin’ity AstraZeneca ity no nisy fivontosana tany amin’ny lalan-drany taorian’ny vaksiny izay natao azy ireo.
Hatreto, manamarina ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana eto an-toerana avokoa ny resaka mihodina rehetra manodidina ity vaksiny miady amin’ny Covid-19 ity. Tsara tsiahivina tokoa mantsy, efa hatrany am-boalohany ny Fanjakana malagasy no tsy nanaiky ny hampidirana ity voalaza fa vaksiny miady amin’ny Coronavirus ity, ary nisafidy ihany koa, ny hanao ho lohalaharana ny fampiasana ireo voka-pikarohana malagasy, dia ny Tambavy CVO sy Gélules CVO+ izany, amin’ny fitsaboana sy fisorohana ny valanaretina. Ny zava-misy ankehitriny no asian-teny, tsy misy antony tokony hanenjehana mihitsy ny Fanjakana izay tsy nampiditra ny vaksiny teto amintsika satria ny ankamaroan’ireo firenena rehetra mampiasa ny vaksiny aza amin’izao fotoana saika nampitsahatra izany avokoa.
Etsy ankilany izany, anisany sehatra ahitana asa fisolokiana sy fanaovana afera maloto ihany koa ity voalaza fa vaksiny hiadiana amin’ny Coronavirus ity. Araka ny vaovao voaray farany, vaksiny hosoka hiadiana amin’ny Covid-19, izay manana fatra hatramin’ny 2 400 no saron’ny manam-pahefana tao Afrika Atsimo. Araka ny fanadihadiana, dia efa tambajotra goavana maneran-tany mihitsy no manao ity asa ratsy ity. Misokatra ny fanadihadiana. Ny Interpol izay nilaza fa ampahany amin’ireo karazana afera maloto mety hiseho amin’ny resaka vaksiny momba ny Covid-19 ity hita ity.
Ny Fanoratana.




