Songadim-baovaoSosialy

VALABETOKANA FARATSIHO: Nisitraka ny hetsika “Fitsarana mitety vohitra” sy “Didimpoitra faobe”

Anjaran’ny kaominina Valabetokana disitrikan’i Faratsiho indray no nandray ny hetsika goavana 2 sosona nokarakarain’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy sy ny mpiara-miasa aminy omaly, dia ny fitsarana mitety vohitra hanomezana solo-kopia fahaterahana faobe (jugement supplétif) sy didimpoitra faobe. Marihina fa maimaimpoana daholo ny hetsika satria hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina eny ifotony eny no tena tanjona, mbola nahazo kilalao koa ny zazalahy kely rehefa vita hasoavana.

“Misaotra manokana ny Filohan’ny fitsarana Antsirabe aho nanana fandavan-tena goavana be nidina tany aminay tany, fa sarotra ny lalana sady mangatsiaka be nefa nataony am-pitiavana. Misaotra ny mpiraki-draharaha torak’izany koa. Misaotra ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Médecin inspecteur Faratsiho sy ny ekipany nanome tanana hatrany. Misaotra ny ben’ny tananan’i Valabetokana koa tena nifanome tanana ho an’ny fitadiavana ny tombontsoam-bahoaka, izao ataontsika izao mantsy ilay tena fidinana ifotony amin’ilay fanjakana manakaiky vahoaka”, hoy ny fanazavan’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Ity farany izay nanamafy fa mila jerena ny any ambany ravin-kazo any fa any no tena misy ny « réalité » iainan’ny mpiray tanindrazana ahalalana ny tena maharary azy sy ahafahana manampy azy amin’ny fomba azo tsapain-tanana.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer