Songadim-baovaoSosialy
VALANARETINA “CHOLERA”: Tsy mbola misy tranga eto amintsika, hamafisina ireo fepetra fisorohana
Tsy mbola ahitana aretina Choléra eto Madagasikara saingy ny fahaizantsika mandray fepetra mialoha ho fisorohana izany no hahafahana miaro amin’ny tsy fahatongavany eto amintsika. Fantatra mantsy fa toerana akaikin’ny Nosy efa ahitana io aretina io ny atsy Comores sy Mozambika. Noho izany dia mihatra ary hamafisina ny fepetra sakana ara-pahasalamana eny amin’ireo seranantsambo sy seranam-piaramanidina rehetra manerana ny Nosy.
Aretim-pivalanana maherivaika azo avy amin’ny otrikaretina antsoina hoe “Vibrio Cholerae” ny Choléra. Tsimokaretina hita any anaty fivalanana na ny loan’ny mararin’ny Choléra izy io. Haingana kokoa ny fomba fifindrany satria mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana amin’ny olona mitondra ny aretina izy, amin’ny tanana maloto, ary amin’ny rano na sakafo misy otrikaretina. Araka izany, miseho amin’ny alalan’ny fivalanana be tampoka sy matetika ny trangan’aretina Choléra. Izany hoe fivalanana mitovy loko amin’ny ranom-bary ary mety hahatratra litatra maro ao anatin’ny fotoana fohy. Ankoatra io, fomba fisehon’ny aretina any amin’ny marary iray ihany koa ny fandoavana mitsiritika, mangetaheta be, manaikitra ny nofo, milentika ny maso, ary mikentrona ny hoditra.
Noho izay maha aretin’ny loto ny Choléra izay dia saika ireo firenena mbola any amin’ny tany andalam-pandrosoana no ahitana azy. Efa nandresy izany avokoa ireo firenen-dehibe rehetra. Hatramin’ny volana novambra 2023 anefa, firenena folo aty Afrika no efa iparitahan’ny valanaretina Choléra. I Malawi no tena ahitana tranga betsaka sy sarotra rah any antontanisa. Tonga 59 000 ireo voamarina fa mitondra ny aretina ary miotran’ny 1 700 ireo namoy ny ainy noho ny Choléra any an-toerana. Anisany akaiky indrindra an’i Madagasikara amin’ireo firenena voamarina fa ahitana trangana Choléra ny ao Comores sy Mozambika. Manoloana izany tranga mety hahavoakasika ny Nosintsika izany indrindra, nohantitranterin’ny avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly fa “tsy mbola misy Choléra eto amintsika ary tsy mbola nahitana tranga na dia iray aza eto Madagasikara”.
Misokatra ny seranana rehetra saingy hentitra ny fepetra sakana
Amin’izay tsy mbola ahitana trangan’aretina Choléra eto Madagasikara izay dia mifototra kokoa any amin’ny fanakanana ny fidirany eto amintsika ny paikady ampiharin’ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Noho izany indrindra dia nohamafisina ny fepetra fitsirihana, fanaraha-maso, ary fampiharana fepetra sakana ara-pahasalamana eny amin’ireo seranam-piaramanidina sy seranantsambo rehetra misy eto Madagasikara. Izany hoe ny fanaraha-maso ny fahatongavana sy ny fiaingana eny amin’ny seranana rehetra. Eo ihany koa ny fametrahana sy tsy maintsy ampiasana ireny fitaovana fanasana tanana amin’ny rano sy savony ireny, rano misy “chlore” na “gel hydro alcoolique”. Toy izany koa ny fandroana tongotra sy kiraro amin’ny rano misy “chlore”. Ho an’ny entana rehetra kosa indray, rarahana ranom-panafody izy ireo mba hahafahana mamoro ny bakteria. Rehefa izany, ampiharana ireo fepetra ireo ny eny amin’ireo seranana miisa sivy lehibe eto Madagasikara: Ivato, Nosy Be, Morondava, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana, Sainte Marie, Toliara, ary Taolagnaro. Eo ihany koa ny eny amin’ireo seranana madinika toy ny any Antalaha, Vohémar, Maintirano, Mananjary, ary Sambava.
Ankilany, notsindrian’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Fitaterana fa tsy midika ho fikatonan’ireo seranana ny fandraisana ireo fepetra sakana eny amin’ireo toerana ireo, araka ny hevitr’ireo olona sasana. Misokatra ho an’ny fitaterana rehetra avy any ivelany ny sisin-tanintsika saingy ao anatin’ny fisorohana ara-pahasalamana dia mihatra ary hamafisina avokoa ireo fepetra sakana rehetra. Marihina fa nidina ifotony teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly, nanao fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra sakana napetraka hatramin’ny alahady lasa teo, ireo Minisitra dimy voakasik’izay resaka manodidina ny Choléra izay. Izany hoe ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Fitaterana, Fizahantany, Filaminana anatiny, ary ny Minisitra delegen’ny Zandarimariam-pirenena.
Fanaraha-maso ny eny amin’ny tobim-pahasalamana sy fanentanana amin’ny fidiovana
Ankoatra ny eny amin’ireo seranana, mipetraka ihany koa ny fepetra fahamailoana any sehatra hafa. Tafiditra amin’izany ny fanaraha-maso isan’andro ny trangan’aretina fivalanana eny amin’ireo tobim-pahasalamana rehetra. Mifanindran-dalana amin’io ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ara-pahasalamana eny amin’ny Distrika sy Faritra rehetra amin’ny alalan’ny fivoriana amin’ny fifandraisan-davitra mivantana. Tsy hadinoina ihany koa ny fampitaovana sy ny sy fametrahana mialoha eny amin’ny fari-piadidiana ara-pahasalamana ny fanafody ampiasaina amin’ny aretina rehefa sanatria misy ny tatitra fanairana.
Zava-poana ihany anefa ireo rehetra ireo raha toa ka goragora ny fandraisana fepetra avy amin’ny tsirairay. Noho izany indrindra, fepetra fisorohana voalohany tsara ampiharina manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina toy izao ny fampanjakana ny fahadiovana sy ny fidiovana. Misongadina ao anatin’izany ireto tanisaina manaraka ireto:
-fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na amin’ny “gel hydro alcoolique”
-fampiasana sy fanadiovana ny lavapiringa
-fihinanana sakafo voadio sy madio, misarona, masaka tsara, ary kendrena mba hafana tsara foana
-Sasana sy voasana avokoa ireo vonkazo sy legioma alohan’ny hinanana azy
-Rano avy nampangotrahina sy misarona no ampiasaia
-Fahadiovan’ny toerana manodidina. Sorohana ny fiparitahan’ny loto sy ny fako satria manamora ny fisiana lalitra izay singa mpanaparitaka ny otrikaretina izany.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




