Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

VALANJAVABOARIN’I TSIMBAZAZA : Nitrangana halatra sokatra, efa misy ireo olona ahina

Eo amin’ny dingan’ny fanarenana ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ankehitriny (MESUPRES). Ankoatra ny maha toeram-pialamboly azy mantsy dia ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES ihany koa ny valanjavaboarin’i Tsimbazaza. Indrisy anefa fa nitragana halatra sokatra tao amin’ny valanjavaboary andro vitsy lasa izay. Sokatra amin’ny karazany Pyxis arachnoides sy Astrochelys radiata no very tamin’izany.

Nanoloana io tranga io, nidina ifotony tao an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa Pr Chaminah Loulla tamin’ny alarobia lasa teo. Nanambara ny tokony hanamafisana ny fiarovana ny toeram-ponenan’ireo biby sy ny hanomezana torolanana momba ny fepetra horaisina amin’ny fiarovana azy ireo ny tenany tamin’izany. Mahakasika io halatra sokatra io, efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny. Nisy ny fangalana alika mpitsongo dia ary “efa misy ireo olona ahiahiana ka efa misokatra ny fanadihadiana araka ny voalazan’ny maître-chien avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Adjudant-Chef Ranaivoson Herinjaka”, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny Ministera. Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha miaraka amin’ny MESUPRES ihany koa ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Miantso ireo tsara sitrapo, araka izany, ireo tompon’andraikitra mba hampilaza ny mpitandro filaminana avy hatrany raha toa ka manam-baovao mahakasika ny tranga. Ankilany, nanambara ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa Pr Andriamaniraka Jaona Harilala fa manameloka tanteraka ny gaboraraka ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ary manameloka izay mikasa ny hanao ratsy ihany koa. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer