Songadim-baovaoToekarena

VALANJAVABOARY NOSY HARA- ANTSIRANANA: “Dauphins” miisa 22 hita faty, hirosoana ny fanadihadiana siantifika

Feso na “Dauphins” miisa 22 no hita maty tao amin’ny Helidranon’i Besikidy, Fokontany Antsako, ao amin’ny valanjavaboaary an-dranomasina Nosy Hara, Distrika Antsiranana II, nandritry ny fisafoana nataon’ny ekipan’ny Madagascar National Parks tamin’ny alatsinainy lasa teo. Vao nahafantatra io tranga io dia nidina ifotony avy hatrany ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toe-karena Manga, niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Madagascar National Parks. Ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina dia fepetra noraisina ny tsy hikasihana na hihinanana ireo biby ireo. Mba hamantarana ny anton’ny loza kosa dia hiroso amin’ny fanadihadiana siantifika ny “Centre National de Recherches Océanographiques” (CNRO) Nosy Be sy ny Oniversiten’Antsiranana. Hiditra an-tsehatra ihany koa ny “Centre de Fusion des Informations Maritimes” (CFIM) mba hamantarana izay sambo rehetra mety nandalo tany amin’ny manodidina an’iny fari- dranomasina iny, ka mety nampiasa «sonars», izay mety ho antony nahafefika ny Feso. Heverina ihany koa anefa fa mety nitsoaka ireo trozona izay mifamezivezy eo an-toerana no anton’izao, ka voafandrika tanaty honko ireto feso ireto noho ny fidinan’ny ranomasina, hoy ny fanazavana nentin’ny Madagascar National Parks hatrany.

Manoloana izao tranga izao moa, manentana ireo mponina mba hampahafantarana avy hatrany raha misy tranga mampiahiahy hita eny an-dranomasina ny tompon’andraikitra. Hamafisina ihany koa ny fanentanana azy ireo mba hanohana hatrany ireo ezaka amin’ny fiarovana ny biby an-dranomasina sy ny tontolo iainana.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer