PolitikaSongadim-baovao
VAOMIERA MPANADIHADY AO AMIN’NY SENAT: Tetika farany kasaina haminganana ny Fitondrana
Efa roa taona latsaka aty aoriana vao rototra tampoka amin’ny fanaovana fanadihadiana momba ny fanafarana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika teto amin’ny firenena ry zareo ao amin’ny Antenimieran-doholona. Inona no tsy nanaovana izany nandritra izay fotoana lavabe izay raha tena nisy tokony hanaovana fanadihadiana tokoa ao anatin’izany? Amin’izao herinandro vitsivitsy mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny Loholona izao vao hatsangana indray ny vaomiera hatao hanadihady izany, noho ny fiheverana fa hany no irika farany hahafahana manozongozona ny Fanjakana. Ankoatra izay, najoron’ny “Senat”, ny Alatsinainy teo koa, ny vaomiera misahana ny fanadihadiana momba ny famonoana faobe ireo voafonja nandositra tany amin’ny fonjan’I Farafangana. Tranga izay efa nitondran’ny Fanjakana fanazavana ombieny ombieny, ary efa nisy, sy mbola mitohy ny fikarohana ireo voafonja mbola tafaporitsaka tamin’izany hatreto. Dikany, hevitra entin’ireo senatera HVM hitadiavana raharaha hamingana ny Fanjakana mijoro ankehitriny indray ny fananganana ireo vaomiera ireo. Mbola manampy izany koa ny nametrahana ireo vaomiera hisahana ny fanadihadiana manodidina ny fomba nitantanana ny lafiny ara-bola tamin’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, sy ny hisahana ilay raharaha milaza fisiana “doublon” tamin’ny fifidianana farany teo. Araka izany, mifono hevitra ambadika sy politika maloto ny an’ireto senatera HVM ireto, izay tarihin’ny Filohany Rivo Rakotovao. Andrasana ny tohin’ny raharaha…




