PolitikaSongadim-baovaoToekarena

VAOMIERAN’NY RANOMASIMBE INDIANINA (COI) Hifanome tanana hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Hetsika roa goavana no noraisin’i Madagasikara tao anatin’ny roa andro nisesy. Nanao fitsidihana ara-panjakana teto amintsika ny Filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny vadiny Brigitte Macron, ny afakomaly lasa teo. Nanatrika ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana, teto Madagasikara ny Filoha frantsay omaly. Raha miisa dimy ireo mpikamban’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana, dia i Madagasikara no nahazo voninahitra nampiantrano ny lanonana tamin’ity andiany fahadimy ity. Notontosaina tetsy amin’ny efitranon’ny Ivon-toeram-pivoriana iraisampirenena  CCI Ivato ny lanonana. Ankoatra ireo olona manan-kaja, avy eto Madagasikara sy ny avy eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Nampiavaka ny lanonana ny fanatrehan’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta mitarika ireo firenena dimy mikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana.

Manaraka ny arofenitra…

Nanatrika ny lanonana, araka izany, ny Filoha Andry Rajoelina sy ny vadiny Mialy Rajoelina.  Teo koa ny  filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan sy ny vadiny, ny Praiminisitra maorisiana, Navin Ramgoolam ombam-badiny, ny Filoha frantsay,  Emmanuel Macron izay mitarika ny Nosy La Réunion amin’ny maha departemanta frantsay azy.  Ny filohan’i Kaomoro, izay filohan’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana amini’izao fotoana izao, Azali Assoumani. Ny Filoha Andry Rajoelina sy ny vadiny Mialy Rajoelina no nandray azy ireo teo am-pahatongavana. Manaraka ny arofenitra koa ny fahatongavan’izy ireo. Nanatrika ny lanonana koa  mazava loatra, ny Sekretera  jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana, Edgrad Razafindravahy, minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny Varotra sy ny fanjifana tao anatin’ny fotoam-pitondran’ny Filoha Rajoelina voalohany.

Voatendry hitantana ny Sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana, ny 15 jolay 2024, nandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ireo Filankevitry ny minisitra ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana. Eo  koa ireo firenena mpanatrika na atao hoe “Etats observateurs”, isan’izany ny Korea Atsimo,  izay firenena farany nekena ho  Mpikambana mpanaramaso, ao amin’ny  Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana, nandritra ny Filankevitry ny minisitry ny COI, izay natao tao Seychelles ny 15 sy 16 aprily teo.

Fahavitan-tena ara-tsakafo…

Miompana amin’ny fahavitan-tena sy fahaleovantena ara-tsakafo ny lohahevitr’ity Fihaonana an-tampony fahadimy ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana ity. Izany lohahevitra izany izay mifanojo amin’ny laharam-pahamehan’ny Fitondrana malagasy. Tamin’ny 10 ora sy fahatelony no nanomboka ny lanonam-panokafana ny Fihaonana an-tampony  Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana. Natomboka tamin’ny hira fanevan’ny COI, sy ny hiram-pirenena malagasy, amin’ny maha firenena mandray izany fihaonana izany. Avy eo dia nisy ny lanonana fidiran’ny sainam-pirenen’ireo Nosy mikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana, sy ny sainan’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana. Taorian’izay ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasana, ny sekretera jeneralin’ny COI, Razafindravahy Edgard, no nanokatra ny fandraisam-pitenenana.

Rafitra ara-tsakafo…
Nanokatra ny fandraisam-pitenenan’ireo Filoham-pirenena sy Praminisitra kosa, ny Filoha Andry Rajoelina, izay nanao ny teny fandraisana ireo vahiny rehetra. Nifandimby nandray fitenenana avokoa ireo Filoha sy Praiminisitra ireo Nosy ao amin’ny COI. Nisy koa ny fihaonana an-databatra boribory, izay isan’ny fandaharam-potoana ho an’ny tontolo andro.  Niompana momba ny resaka  tosika ho an’ny  rafitra ara-tsakafo sy ny fampandrosoana ny varotra aty amin’ny  Ranomasimbe indiana sy ny faha-40 taon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vondron’ny Ranomasimbe indiana, izay anisan’ny lohahevitr’ireo dinika an-databatra boribory ireo. Ny Filoha Rajoelina no nitarika ilay voalohany.

Ny fanolorana ireo hevi-dehibe nivohitra nandritra ireo dinika an-databatra boribory ireo, ary ireo lahateny famaranana, izay nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, amin’ny maha mpandray ny  Fihaonana an-tampony azy. Nataon’ny Filohan’ny Kaomoro, Azali Assoumani, amin’ny maha filohan’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana azy kosa, no namarana ity fihaonana an-tampony fahadimy, izay natao teto Antananarivo. Tomponandraiki-panjakana samihafa sivily sy miaramila, filohana andrimpanjakana isan-tsokajiny, olomboafidy sy olomboatendry, mpandraharaha, masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika, vadin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indiana ; mpanao gazety avy eto an-toerana sy avy any ivelany no tonga nanatrika ny fihaonana an-tampony omaly.

Nangonin’i Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer