Songadim-baovaoToekarena

VAOVAO DISO NAELY MOMBA AZY: Handray fepetra ny orinasa MVola

Fotoana mampiroborobo ny fiparitahan’ny vaovao diso ny mandritra ny krizy toy izao. Nifanindran-dalana tamin’ny fahatapahana amin’ny fahafahana mpampiasa ny tolotra MVola nandritra ny andro vitsy tamin’iny herinandro lasa iny dia lasibatra tamin’izany fielezan’ny vaovao diso hanononana ny anarany izany ihany koa ny orinasa MVola. Raha tsiahivina fohy dia nisy ireo nilaza fa manana petra-bola ao amin’io orinasa io ny Gasy mpandraharaha lehibe iray ka noho ny olana sedrainy ankehitriny dia nosintoniny io anjara volany ao amin’ny orinasa io. Manentana ireo rehetra mpampiasa io tolotra ara-bola io ihany koa ilay ranty niparitaka tao amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky mba hisintona na hamindra avy hatrany ny volany ao amin’ny kaonty.

Manoloana izany zava-nisy izany, nanamafy fanazavana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny orinasa MVola fa ny tsy fahafahana niditra tamin’ireo tolotra MVola dia nohon’ny olana ara-teknika, vokatry ny fanavaozana ireo rafitra, tsy misy fifandraisana amin’ny olana na zava-mitranga ivelan’ny orinasa. “Ireo ekipan’ny MVola dia niasa andro aman’alina namerenana amin’ny lafiny ny fahafahana miditra amin’ireo tolotra”, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Noho ireo fihelezan’ny vaovao diso mahakasika azy ireo, araka izany, dia nanamafy ny orinasa MVola fa manara-maso akaiky ireo vaovao mahakasika azy sy ny ekipany. Hisy ihany koa ny fandraisana fepetra, hoy hatrany ny fanazavana, raha mbola mitohy izay fanaparitahana vaovao diso mahakasika azy izay. Tsara ny manamarika fa aman’alina ireo olona mampiasa ny tolotra MVola. Ny fanaparitahana vaovao diso momba izany dia mety hiteraka savorovoro amin’ny andavanandrom-piainan’ny olona maro.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer