
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
VAOVAO TSY MARINA NITERAKA FITSARAM-BAHOAKA: Mpiasa tamina tetikasa iray namoy ny ainy, mpampianatra iray hafa naratra mafy
Lehilahy iray mpiasa amina tetikasa sy mpampianatra iray naratra mafy, vokatry ny fitsaram-bahoaka nanjo azy ireo tao Ambatofaritrana, kaominina ambanivohitra Manapatrana, distrikanIkongo, ny afakomaly lasa teo. Zazalahy iray no natahotra azy roa lahy, andeha hiomana hiampita rano niaraka taminny môtô no nampita taminny fokonolona, izay nilaza azy ireo ho dahalo, ka antony nahatonga izao fitsaram-bahoaka izao
Tratry ny tsy nampoizina ! Lehilahy iray mpiasa amina tetikasa sy mpampianatra iray naratra mafy, vokatry ny fitsaram-bahoaka nanjo azy ireo tao Ambatofaritrana, kaominina ambanivohitra Manapatrana, distrikanIkongo, ny afakomaly lasa teo. Araka ny angom-baovao avy any an-toerana, zazalahikely iray natahotra azy roa lahy, andeha hiomana hiampita rano niaraka taminny môtô no nilaza taminny fokonolona, izay niteny azy ireo ho dahalo. Izy roa lahy, izay fantatra fa andeha hamonjy faty ireo niaraka taminny môtô ireo, ary teo am-pikirakirana ny fitsakana rano no nifanena taminilay zazalahy iray io. Natahotra ilay zazalahy io ary nitsoaka ka niantso fokonolona. Vokany, voasambotry ny fokonolona ao Manarinjato, Kaominina Manapatrana, Distrikan Ikongo izy roa lahy nolazaina fa dahalo, ka niharanny fitsaram-bahoaka. Vokatrio vaovao tsy marina io, namoy ny ainy noho io fitsaram-bahoaka io ilay lehilahy iray, izay fantatra fa mpiasa amina Tetikasa iray any an-toerana, raha naratra mafy kosa, ilay mpampianatra iray. Vantany vao nandre io toe-draharaha io ny zandary avy ao aminny Zana-tobim-paritra Manapatrana, dia nanakana ny fanaovanireo fokonolona fitsaram-bahoaka io, saingy tsy nahatohitra ireo fokonolona marobe.
Efatra voasambotry ny zandary
Niampy folo ny zandary avy any aminny borigadinIkongo nanampy ireo efa tany ifotony, niampy ny polisy, avy ao aminny KaomisarianIkongo. Olona efatra nosamborina mahakasika ny fitsaram-bahoaka teny Ambatofaritrana, kaominina ambanivohitra Manapatrana, Distrikan Ikongo. Efa eny aminny hopitaly ilay maratra ary efa nomena ny fianakaviana kosa ny razana. Nisy ny firesahan’ny OMC Distrika tamin ireo fianakaviana niharam-boina, mba ho tony ary hametraka fahatokisana aminny Mpitandro filaminana hanatanteraka ny famotorana. Efa eny an-dalana hihazo Ikongo ny zandary, tarihin’ny Komandinny kaompania, niaraka taminny governoranny Faritra Fitovinany, taminny alalan’ny fiaranny Faritra Fitovinany. Hatreto, tsy misy fikasana hanao korontana na hanao valifaty hatreto, na avy aminny fianakaviananny maty sy ny maratra na avy aminireo voasambotra.
Rado Harivelo



