Songadim-baovao

VARATAVA: Mananika ny 90%-n’ny Malagasy no mankafy azy

Zavakanto iray anisan’ny manintona ny mason’ny olona eto amintsika ny « art visuel » amin’izao fotoana. Tafiditra anatin’izany ny varatava na “Portait”, ity farany izay tsy mijanona eo amin’ny fanomezana ny fahafinaretan’ny maso ihany, fa mifono sy maneho fihetsem-po anaty tsy takatry ny saina ka manintona ny mpankafy zavakanto malagasy…

Anisan’ireo zavakanto manasongadina ny endri-javatra maro, indrindra fa ny tarehin’ny olona iray matetika, ny varatava na ny “Portait”. Tsy mitsaha-mitombo ankehitriny,  ireo resy lahatra amin’ny kanto entin’ity  karazana hosodoko iray ity satria efa mananika ny 90% amin’ny malagasy no manjifa azy io. Manana ny lanjany mihoatra lavitra noho ireo « art visuel » hafa toy ny sary tsotra ny varatava ka antony mahalafo ny vidiny. « Ny tanana no miangaly ny fanatontosana azy ka mahatonga izany», hoy ny mpanao varatava (Portraitiste) iray. Tsy mahasakana ireo mpanjifa velively anefa io vidiny lafo io satria tsapan’izy ireo ny hakanton’ny sary sy ny hevitra entin’ity zavakanto ity. Mitentina valo alina ariary ny faran’ny mora  amin’ny sary iray amin’ny varatava ary miakatra araky ny sary izany vidiny izany.

Manana aingam-panahy mihoatra ny hafa

Marihina fa  karazana « art visuel » iray  izay nalain-tahaka avy amin’ireo fanaovana hosodoko tany ivelany ny varatava.  Amin’izao fotoana kosa,  manana ny toerany manokana eo amin’ny lafiny zavakanto  eto  Madagasikara io karazana hosodoko iray io, noho ny sangan’asa miavaka ataon’ireo mpiangaly malagasy azy. Mifono tsiambaratelo lalina tsy takatry ny saina anefa ny fanatanterahana ity zavakanto iray ka anton’ny maha vitsy ny mpikirakira azy amin’izao fotoana. Izany hoe, ny olona manana aingam-panahy mihoatra ny hafa no afaka manatontosa ity zavakanto ity. « Miisa anarivony ny mpankafy sy mikitikitika manao azy fa ankavitsiana ireo tena matihanina », hoy Andrianjaka Mahery. Ity farany dia isan’ireo mpiangaly ny varatava manana ny maha izy azy manokana eto amintsika. Tsiahivina fa ny taona 2017 dia nijoro ny fikambanana iray antsoina hoe « Varatava Association » ary efa miisa 70 any ho any ireo mpikambana ao anatiny amin’izao fotoana izao. Ny hirariany dia ny hisondrotan’ny zavakanto malagasy hatrany ary mba hananany ny toerana ambony lavitra mitaha amin’ny zavakanto any ampitan-dranomasiona rehetra any.

Tsiferana (Mpianatra asa)

Fermer