PolitikaSongadim-baovaoSosialy

“VARIANT” MISY ETO MADAGASIKARA: Hojerena ny vaksiny mahatohitra azy, tohizina ny fampiasana CVO+

Tsy maintsy niankina tamin’ny fifanankalozan-kevitra tamin’ny Filankevitra siantifika teo anivon’ny ANAMEM ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana manoloana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ankehitriny, indrindra ny fisian’ny endriny vaovao. Araka izany, isany tapaka nandritra ny fihaonana fa hirosoana ny fijerena sy ny fampiasana ireo vaksiny mahatohitra ny « variant » misy eto Madagasikara. Mitohy kosa ny fampiasana ny CVO+ amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana ny Covid-19.

Ho tohin’ny taratasy fakan-kevitra nataon’ny Filohan’ny Repoblika tany amin’ny Akademiam-pirenen’ny Mpitsabo, nisy ny fikaonan-doha teo aminy sy ny Filan-kevitra siantifikan’ny ANAMEM omaly teny Iavoloha. Nandray anjara tamin’izany ireo Profesora solotenan’ireo mpikambana ao amin’ny Akademian’ny mpitsabo, ny Minisitry ny Fahasalambahoaka, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa. Mazava ho azy, niompanan’ny adihevitra betsaka tao ny mahakasika ny vaksiny fanefitra ny Covid-19 sy ny fepetra horaisina manoloana ny fihanaky ny Covid-19 ankehitriny, indrindra ny efa fahatongavan’ilay Covid-19 amin’ny endriny vaovao avy atsy Afrika Atsimo. “Zavadehibe ny fandraisana fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny toe-javamisy sy ny variant misy eto amin’ny firenena ary ny fivoaran’ny valanaretina. Mila mitsinjo indrindra koa isika ny fepetra raisina manoloana ny mety ho fiakaran’ny tahan’ireo mitondra ny tsimokaretina izay hitranga afaka volana vitsivitsy mandritra ny vanim-potoanan’ny ririnina”, hoy ny fampitam-baovao.

Fomba fijery ara-tsiantifika

Noresahana ihany koa ny fomba fandraisana an-tanana ireo marary sy ny fomba nentintsika nitsaboana sy nisorahana ny valanaretina covid 19. Nitondra ny fomba fijery ara-tsiantifika kosa ireo Profesora avy ao amin’ny Akademia mahakasika ny fivoatran’ny valanaretina sy ny vaksiny efa misy manerantany. Nandroso soso-kevitra ny mpikambana ao amin’ny Akademia amin’ny tsara hirosoan’ny firenena amin’ny fanaovana vaksiny fanefitry ny covid 19 nifototra amin’ny fandalinana ara-tsiansa. Nanamafy ihany koa ny ANAMEM fa tsy mifanipaka ny fampiasana ny vokatry ny fikarohana Malagasy toy ny CVO plus izay nahitam-bokatra nahafapo teo amin’ny fitsaboana sy fiarovana ny Malagasy. Koa manoloana izany dia nandray ny hevitry ny ANAMEM ny Fitondram-panjakana ary hiroso sy hifandrimbona ny roa tonta amin’ny fanatanterahana ny dingana manaraka.

Ao anaty “protocol de traitement” ny CVO+

Araka izany, nisy ny toromarika sy ny torolalana nomen’ny ANAMEM tany amin’ny faran’ny fihaonana, izay nahafahan’ny Fitondram-panjakana nandray fanapahan-kevitra. Voalohany indrindra amin’ny fanapahan-kevitra ny hijerena sy hampiasana ireo vaksiny mahatohitra ny « variant » misy eto Madagasikara isika. Tapaka ihany koa fa safidy ny vakisiny ary tsy tokony atao an-tery. Manaraka izany, vaomiera siantifika miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamambahoaka sy ny Ministeran’ny fampianarana ambony ary ny fikarohana ara-tsiansa no handrafitra ny dingana tsy maintsy hatrehina ahafahana manatanteraka izany. Anisany nivoitra ary tapaka nandritra ny fihaonana koa fa ny fampiasana ny vokatra Malagasy CVO Plus ao anatin’ny “protocole de traitement” amin’ny fitsaboana sy fisorohana ny covid 19 dia mbola mitoetra ary mitohy hatrany. Ary farany, nohamafisina ny tokony hitandreman’ny tsirairay sy ny hanamafisana ny fiarovan-tena, ny fianakaviana ary ny firenena manoloana ny fihanaky ny valanaretina. Ilaina, noho izany, ny fanarahana antsakany sy andavany ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra mipetraka eto Madagasikara.

Fermer