Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

VAROTRA AN’HABAKA AO AMIN’NY FESIBOKY : Voasambotra ny mpisoloky roa lahy nahazo vola hatramin’ny 30 tapitrisa ariary

Lasibatry ny asa ratsin’ireo mpisoloky tato ho ato ny asa mifandraika amin’ny varotra an’habaka ao amin’ny fesiboky. Samy mahita faisana avokoa na ny pejin’ireo mpivarotra, indrindra ireo mpanjifa izay hahazoan’ireo olon-dratsy volabe. Tranga nahoraka vao tsy ela ny niseho tao amin’ny pejy fivarotana lamaody sy kojakoja lehibe iray ao amin’ny fesiboky. Ny tompon’andraikitra voalohan’io pejy io mihitsy no nahatsikaritra ny fomba fanaon’ireo mpisoloky mitonona ho mpiasa ao aminy. Nahazoan’izy ireo volabe rahateo ny mpanjifan’io mpivarotra io. Nametraka fitoriana ny mpandraharaha. Nahitam-bokatra izany ka nampahafantatra ny fomba fiadin’ireo olon-dratsy ireo ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena ao Ambohidratrimo omaly.

Araka ny fanazavana dia mandritra ireny fivarotana mivantana an’habaka na «live» ireny no mitily ireo olona manjifa entana sy manao “JP” ireo mpisoloky. Maka tahaka ny anaran’ny pejy izy ireo avy eo. Mandresy lahatra ny mpanjifa mandefa laharan-tariby sy ny mombamomba azy eo amin’ny «commentaire» ny mpisoloky, milaza fa mpikirakira varotra na «commercial» an’ilay pejy mpivarotra ao amin’ny tambazotra sosialy. Maro ireo mpanjifa roboka ka mandefa ny vola sandan’ny entana nalainy any amin’ireo mpisoloky ireo. Vokany, vola hatramin’ny 30 tapitrisa ariary avy amin’ireo mpanjifa namandrika entana tao amin’io pejy lehibe iray io no efa azon’ireo mpisoloky.
Rehefa izany, tamin’ny 10 marsa lasa teo no tafapetraka ny fitorian’ny mpandraharaha tompon’ny pejy. Nomarihiny ihany koa fa tsy vao voalohany izy ireo no misedra tranga tahaka izao fa efa nisy tany aloha. Manome endrika ratsy ny asa an’habaka ao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy ny fisian’ireo mpanao asa ratsy ireo.
Nosokafan’ny Zandary, araka izany, ny fanadihadiana. Natao ny fikarohana rehetra ka tratra ny roa lahy. Teny Ambohibao no natao ny fitoriana saingy tany Toliara ireo mpisoloky ireo no nosamborina. Tanora vao 20 taona mahery, teraka sy monina any Toliara, no miketrika izao fika maloto hahazoana vola haingana izao. Niaiky izy ireo fa efa mpanao io fomba ratsy io tamina mpandraharaha maro eny amin’ny tambazotra sosialy samihafa. Manoloana ny tranga toy izao, manentana hatrany ny rehetra mba samy ho mailo sy hitandrina amin’ny fampiasana ny tambazotra sosialy ny Zandary.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer