Fanadihadiana Manokana
VAROTRA: Tsy mahafantatra ny tena zony ny ankamaroan’ny mpanjifa
Malalaka ny varotra eto Madagasikara. Miantoka ny fampiroboroboana io fahalalahana io ny fiarovana hatrany ny zon’ny mpanjifa. Maro amin’ireo mpanjifa anefa no tsy tena mahafantatra akory ireo zony ka tsy afaka ny hiaro sy hiady amin’izany. Anisan’ny hampahafantarina any Antsirabe anio ny mahakasika izay zon’ny mpanjifa izay, ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa.
Manan-jo ho arovana sy manan-jo hisitraka entana, vokatra tsara ary sahaza azy ny mpanjifa. Ho fandrindrana ny tsena sy hiarovana ny mpanjifa eto Madagasikara dia misy ny lalàna napetraka, natao mba hampiroboroboana io zon’ny mpanjifa io. Anisan’izany ny lalàna 2018-020 tamin’ny 23 aogositra 2018. Foto-kevitra faritan’io lalàna io ny fahalalahan’ny varotra sy ny fandraharahana. Ny mpandraharaha rehetra izay mahafeno ny fepetra dia afaka mandraharaha avokoa amin’ny sehatra izay iriany eto amintsika. Ohatra amin’ireo fepetra takiana aminy ireo, araka ny voalazan’ny lalàna hatrany, ny fananana taratasim-barotra toy ny karatra “statistique”, karatra fandoavan-ketra, ary ny “registre du commerce et des sociétés”. Rehefa tafapetraka eo amin’izay tontolon’ny fandraharahana ara-barotra izay, fepetra takiana amin’ireo mpivarotra ny fametrahana vidin’entana mba hahafahan’ny mpanjifa misafidy ny entana jifainy eny an-tsena. Eo ihany koa ny fepetra mifandraika amin’ny fahafahan’ny mpanjifa mangataka taratasim-barotra na faktiora rehefa mividy entana sy ny fanomezan’ireo mpanjinjara sy mpamongady izany ho an’ireo mpanjifany. Ankoatra ireo, tsy maintsy hajain’ny mpandraharaha ihany koa ny lalan’ny varotra. Ny tsy fanarahana ireo voalazan’ny lalàna 2018-020 dia mety hiafara amin’ny fanasaziana. Ohatra amin’izany ny fandoavana lamandy, na ihany koa ny sazy miafara amin’ny fisintonana ny fahazoan-dalana hanao ny raharaham-barotra, na hatramin’ny fanidiana ny tsenam-barotra.
Santionany fotsiny ihany amin’ny zo tokony ho sitrahan’ny mpanjifa ireo fahafantarany ny vidin’entana eny an-tsena sy ny fahazoana faktiora rehefa mividy entana ireo. Rehefa nifampiresaka tamin’ny mpanjifa maromaro teny an-tsena izahay omaly dia vitsy tamin’izy ireo no nahafantatra ny fisian’ireo fepetra ireo. Heverin’izy ireo ho ahitrahitra na ho fisintonana mpanjifa fotsiny ihany no antony hampirantiana ireo vidin’entana eny an-tsena. Mahakasika ny fisitrahana faktiora indray, mbola mila fanabeazana betsaka amin’ny fikirakirana izany, na ny mpanjifa na ny mpivarotra, hoy ny fanehoan-kevitra. Efa manao izany ireo mpivarotra sasany eto amintsika, indrindra ireo tranom-barotra lehibe, saingy mbola tsy tafita eny amin’ireo mpanjinjara io fomba fiasa iray io.
Andraikitra ifampizarana…
Araka izany, mitohy hatrany ny fampiharana ireo fepetra maro mba ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa eto amintsika. Hifampizarana ny andraikitra ary samy manana ny anjara tandrify amin’izany na ny avy amin’ny Fanjakana izay ahitana ireo Ministera voakasika, na ireo mpandraharaha ara-barotra rehetra na ihany koa ny mpanjifa.
Ho an’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) dia andraikitr’izy ireo ny fametrahana rafitra mahefa amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Manara-maso akaiky ny kalitao sy ny fenitr’ireo entana amidy eny an-tsena ary mandray ny fepetra rehetra ilaina raha toa ka misy tsy fanarahan-dalàna. Izany hoe manao ny fanagiazana ireo entana, fanasaziana ireo nivarotra entana, fandorana ny entana. Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa ny MIC amin’ny fanatanterahana “contre-analyse” amin’ireo entana mampiahihy.
Ho an’ireo mpivarotra, malalaka ny fandraharahana eto Madagasikara saingy tsy maintsy hataon’izy ireo laharam-pahamehana ny fanajana hatrany ny zon’ny mpanjifa. Tokony hanana “certificat de consommabilité” sy “Autorisation de Mise sur le Marché» ny mpanafatra entana sy ny mpamokatra eto an-toerana. Tokony hajaina koa ny fenitra fitahirizan’entana mba tsy hanova ny kalitaon’ny entana jifain’ny mpanjifa eny an-tsena.
Farany, ireo mpanjifa dia manana andraikitra amin’ny fiarovana ny zony. Alohan’ny hividianana entana dia fihetsika tsara tokony hananan’ny mpanjifa ny fividianana entana tsy atahorana fa hampidi-doza ny fahasalamana. Eo ihany koa ny fijerena tsara ny etiketin’ny zava-pihinanana efa voafono. Jerena ny daty farany hahazoana manjifa, ny anaran’ny entana, ny singa ao anatiny, ny lanjan’ny entana, ny anaran’ny mpamokatra, ny toerana nihavian’ny entana ary ny fomba fampiasana sy fitehirizana ny entana.
Mitohy mandrakariva ny fampiharana ireo fepetra mba hahafahana miaro hatrany ny zon’ny mpanjifa.
Fankalazana any Antsirabe
Marihana isaky ny datin’ny 15 marsa moa ny andro maneran-tany ho an’ ny zon’ny mpanjifa. Mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fiovana ara-drariny ho amin’ny fomba fanjifana maharitra ny lohahevitra nosafidiana havoitra mandritra ny andian’ny fankalazana amin’ity taona ity. Lohahevitra manao hoe: “une transition juste vers des modes de consommation durable pour un large choix au sein des marches régionaux de l’Afrique». Handray ireo hetsika mifandraika amin’ny fankalazana nasionaly, araka izany, ny any Antsirabe renivohitry ny Faritra Vakinankaratra. Hetsika maro no hotanterahana amin’ity anio ity ka atao laharam-pahamehana amin’izany ny fampahafantarana sy fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Ho hita any Antsirabe ihany koa ny tranoheva maro hampirantiana vokatra sy entana isan-karazany, miaraka amin’ny fihenam-bidy. Tsy adinoina ireo seho ara-kolontsaina sy fampialana voly, miaraka amin’ny fanentanana mitety vohitra tanterahan’ny fikambanan’ireo mpanjifa any amin’ny tanànan’Antsirabe. Fanentanana hamafisina ho an’ny rehetra ny hoe “ataovy zava-dehibe ny zon’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fifantenana vokatra ara-pahasalamana, ara-tontolo iainana ary ara-toekarena”.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



