Songadim-baovaoToekarena

VARY SAFIOTRA Naseho tamin’ny alalana santa-bary ny fahombiazan’ny famokarana azy

Manamafy hatrany ny ezaka tratrarina amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo isika eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny Fitondram-panjakana, dia ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, eo amin’ny fampivoarana ny sehatry ny famokaram-bary. Nisy ny santa-bary nanehoana ny fahatsaran’ny famokarana vary safiotra, tao Mahitsy…

Tanteraka hatrany ny velirano fahasivin’ny Filoham-pirenena. Ezaka roa sosona no ezahina tratrarina amin’izao fotoana, dia ny fanetsehana ireo mpamokatra amin’ny fampiasana ireo teknika sy fepetra anenana ny fahaverezan’ny voka-bary, manomboka eo amin’ny fijinjana ka hatrany am-bilia. Ny faharoa dia ny fitodihantsika amin’ny fikarohana vahaolana miaraka, manodidina ireo sakana maro amin’ny fanapariahana ny vary safiotra eto Madagasikara. Fantatra, fa mamokatra be ny vary safiotra, ary mahatanty ireo aretina sy bibikely mpahazo ny vary, izay hita fa maro ireo sakana lehibe ara-bola, ara-teknika sy ny sisa, izay mametra amin’ny fanapariahana tanteraka ny fambolem-bary safiotra eto Madagasikara. Eo ny lafiny masomboly, fa eo koa ny fifehezana ny ara-teknika, ary ny halafosan’ny hana-pamokarana, sy ny sisa. Notanterahina tao amin’ny kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, omaly ny santa-bary Safiotra, izay notanterahin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nandritra izany no nanatanterahan’ny tompon’andraikitra fanentanana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fahaleovan-tena ara-barin’i Madagasikara, hizara traikefa sy hevitra ananantsika amin’izao, ary ny fifanoloran-tanana amin’ny fikarohana vahaolana.

Afa-po ireo tantsaha mpamokatra

Anaty fijinjana vary safiotra ny tantsaha ao Mahitsy, ary nambara fa tsara ny voka-bary na teo aza, ny fiantraikan’ny toetrandro. Vary safiotra ity nanaovana santa-bary ity, ary nambaran’izy ireo fa nety tsara tamin’ny famokarana natao io karazam-bary io. Nambaran’ny iray tamin’izy ireo, fa tsy mitovy amin’ny vary rehetra ny taham-pahavokaran’ny vary safiotra, raha manodidina ny 05 taonina eo ny vary hafa, dia eo amin’ny 10 taonina eo no azon’ny tantsaha iray mamokatra azy. « Hafa mihitsy ny masomboly, ny zezika, ary ny fanafody atao aminy, ka nahazoana izao vokatra tsara izao. zezika biolojika no nampiasaina tamin’ity famokarana safiotra ity ». Ity farany, izay fantatra fa mahazo vokatra manodidina ny 10 taonina amin’ity voka-bary iray ity. Fantatra, fa mamatsy vary an’Antananarivo ny ao Mahitsy.

Miezaka amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vary safiotra ny Minisitera

Hahafahana mampiroborobo sy mampiseho ireo tantsaha ny fampiharana ny fambolena vary safiotra, izay anisany nanatanterahana io santa-bary io. Ny fiaraha-miasan’ny Minisitera sy ny orinasa mpiray ombon’antoka aminy eo amin’ity famokarana vary safiotra ity, dia fantatra fa mampiely ny famokarana eran’ny faritra. Eo koa ny famoahana ny vokatra avy amin’ireo faritra, izay haely amin’ny tsena anatiny. Fanehoana ny vokatra azo sy ny fandrefesana ny ho avy manoloana ny fahafahana manohy izany dia vokatry ny teknolojia sy ny voka-pikarohana natao, hoy ny teo anivon’ny Minisitera. Tanjona ny fanapariahana ny vokatry ny fikarohana ho fampitomboana ny vokatra azo. Paikadin’ny Fanjakana koa ny fanamorana ny fahazoan’ireo tantsaha ny zezika enti-mamboly. Nisy ny fanomezana « kit » ho azy ireo taorian’ny rivodoza nanimba voly teo ireny, toy ny masomboly sy zezika, ary fitaovam-pambolena, raha tsiahivina. Misy koa tohana amin’ny fametrahana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha, ary ny firosoana amin’ny fampiasana ny teknika maoderina.

Fermer