Songadim-baovaoSosialy
VARY SIMBA 50 KAONTENERA : Olona fito voarohirohy naiditra am-ponja
Natolotra ny fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga ireo olona fito voarohirohy amin’ilay raharaha vary simba 50 kaontenera. Vokany, notanana am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjabe Marofoto Mahajanga izy ireo.
Notanterahina afakomaly maraina koa, nanomboka tamin’ny 08 Ora ny fampidinana sy fanamarinana ireo vary simba tao anaty fiarabe miisa dimy. Hita tamin’izany ary fa ny tao anatin’ireo fiarabe nahitana gony fotsy no mivadika. Nogiazana anaty efitrano lehibe iray ireo vary ireo ary nohidiana ka niaraka nanatanteraka izany ny lehiben’ny Sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena eto Mahajanga sy ny Talem-paritry ny varotra ao Boeny ary ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Varotra avy any Antananarivo. Nohidiana amin’ny efitrano hafa kosa ireo milina roa nampiasaina tamin’io fanodinana vary io. Mahakasika ireo fiarabe miisa dimy saika hitondra ireo vary kosa dia mbola ao amin’ny VIMA (ex-SOTEMA) ary ambenan’ny zandary telo avy amin’ny Vondron-tobim-pileovana Boeny ary miandry toromarika avy amin’ny Fitsarana.
Mateti-pitranga…
Araka ny angom-baovao voaray, voalaza fa toe-javatra mateti-pitranga matetika ao Mahajanga ny fanodinkodinana vary lo io, nanomboka tamin’ny taona 2021 tany ho any. Anatin’izany rehetra izany dia misy tomponandraikitra ara- panjakana hatrany tafiditra manamora ny fanodinkodinana misy. Ity tranga farany ity dia nanomboka tamin’ny 20 Desambra 2023 lasa teo no narahi-maso ny fiantombohan’ny fikasana ny fanodinkodinana ireo vary lo ireo. Tamin’ny voalohany, natao hoe ho dorana ireo vary ireo. Rehefa avy eo, ho avadika sakafom-biby indray.
Tsy nisy natao anefa izany rehetra, hoy ny loharanom-baovao, fa nodiovina sady navoaka tsikelikely ireo vary lo ireo ka izao tratra tamin’ny andro farany izao. Araka ny loharanom-baovao, misy indray ireo tomponandraiki-panjakana ao Mahajanga no tompon’antoka no sady mahalala tsara ny finiavana hanodinkodina ireo vary lo ireo. Angatahiny sy ankasitrahan’ny vahoakan’i Mahajanga ny anaovana famotorana lalina mikasika an’io fikasana hanapoizina ny vahoaka io ka hofaizina mafy araka ny lalàna ireo rehetra tafiditra ao anatin’io fanodinkodinana io na inona na inona andraikitra tazominy ao Mahajanga ary na iza izy na iza. Ankasitrahan’ny vahoaka any an-toerana koa izao fandraisan’ny Fanjakana andraikitra izao ho fampiharana sy fanajana ny tany tan-dalàna.
Pierre M.



