Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

VEHIVAVY IRAY AVOTRY NY POLISY : Saika lasan’ny jiolahy an-keriny rehefa tsy nanam-bola nomena

Ny alin’ny alarobia 09 Aprily lasa teo dia tonga nampandre ny Polisy miasa any amin’ny distrikan’i Tsaratanana, Faritra Betsiboka ny Lehiben’ny Fokontany ao Ambatoharanana, mahakasika vehivavy iray 49 taona tsy hita. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ny Polisy tao an-toerana niaraka tamin’ireo fokonolona. Fotoana fohy taorian’izay ihany anefa, dia hitan’ny Polisy sy ireo fokonolona ireo jiolahy miaraka amin’ilay vehivavy voalaza io, tao amin’ny Fokontany Anosikely. Nandositra avy hatrany ireo jiolahy mpàka an-keriny vantany vao nahita ny Mpitandro filaminana avy lavitra, ka navelan’izy ireo teo ity farany, ary avotra soa aman-tsara raha efa saika lasa takalon’aina. Rehefa nanontaniana izy dia fantatra, fa nikasa haka vola taminy ireo jiolahy, ary dia saika nalain’ireto olon-dratsy an-keriny izy rehefa nilaza fa tsy nanam-bola. Ity vehivavy ity moa araka ny fanadihadiana, dia manana tany misy volamena, ka noeritreretin’ireo jiolahy fa manam-bola be. Efa mandeha ny famotorana ny raharaha sy ny fikarohana ireo jiolahy tafaporitsaka. Miara-misalahy amin’ireo vondron-kery hafa dia ny zandary sy ny tafika ny eo anivon’ny Polisim-pirenena manoloana ny tranga tsy fandriam-pahalemana miseho eto amin’ny Nosy, antom-pisian’ny « Hery fiarovana sy filaminana » isam-paritra, izay ahitana Polisy sy zandary ary tafika malagasy.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer