Songadim-baovaoSosialy
VEHIVAVY MANAN-KILEMA: “Modely amin’ny fikirizana, ka mendrika tohanana Ramatoa Nirina”
Vehivavy manana kilema ara-batana, manano-tena nefa mamelona zaza 3, efa maty vady Ramatoa Raveloarimanga Vololonirina. Sahirana eo amin’ny asa fivelomany izy, saingy vehivavy te hiavotra fa tsy miandry toloram-potsiny. Tsy nataony sakana mihitsy ny kilemany. Tsy mangataka izy fa mikiry miasa sy miezaka, zaitra an-tsena no ataony fototr’asa, saingy tsy manana enti-manana izy ka manofa milina fanjairana aman’olona mba ahafahany miasa isan’andro. Mbola manofa trano hazo ao Analamahitsy tanàna ihany koa izy ipetrahan’izy sy ny zanany.
Nandefa taratasy tany amin’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo izy nangataka fanampiana mba hahafahany mampivoatra ny asany, satria hoy izy « hitako ny fitiavany manampy olona ary Renim-pianakaviana koa izy ka mahatsapa ny fahasahiranana iainako Reny mananon-tena nefa mbola mamelona zaza 3 ». Namaly ny fangatahany ny Freedom ka ny sabotsy teo no tonga namangy an-dRamatoa Nirina tany an-tranony ny ekipan’ny Freedom notarihin-dRamatoa Filoha Nasionaliny, nanolotra milina fanjairana sy « surjeteuse » ary elobe hampiasainy eny an-tsena.
Hiitatra ny asa fivelomany
Naneho ny hafaliany Ramatoa Nirina ary nanazava fa ny fahazoany ireo fitaovana fanjairana ireo dia ahafahany manitatra ny asa fivelomany ka tsy hijanona amin’ny zaitra an-tsena fotsiny ihany izy fa mba afaka handray mpanjifa manana kaomandina zaitra any an-tranony koa. Ramatoa Céline Razafindehibe, Filoha lefitra nasionalin’ny VMLF na Vondrona Miralenta ho an’ny Fampandrosoana sady Filohan’ny « Réseau pour l’Éradication de la Violence à l’egard des femmes et des jeunes filles » no nampifandray an-dRamatoa Nirina tamin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo rehefa nampitainy io hetahetany te hihaona amin’ny Filoha Nasionalin’ny Freedom io. Ity farany izay nilaza fa modely amin’ny fikirizana ity vehivavy ity, ka mendrika tohanana mba ho ohatra ho an’ny vehivavy hafa koa. Nampirisika azy moa ny Filohan’ny Antoko mba hilofo hatrany ka hanao izay hahatafita ny zanany 3 mianadahy mbola mianatra amin’ny EPP sy CEG na dia sahirana aza ny reniny mamelona azy ireo.




