
PolitikaSongadim-baovao
VEHIVAVY MPITARIKA MALAGASY HO AN’NY FIHAVANANA: Miantso fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fomba tsy manome vahana ny herisetra
Anisan’ireo naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena misy ankehitriny ny fikambanana hivondronan’ireo vehivavy mpitarika Malagasy ho an’ny fihavanana sy fisorohana ny disadisa na ny “Femmes Leaders Malagasy”. Izy ireo izay mikendry indrindra ny hampanjakana ny fandriampahalemana, ny fahamendrehana, ary ny fiombonana eto amin’ny firenena. Anisan’ireo mivondrona ao anatin’io fikambanana io ny CNFM, ny JCI, ny OMDH, i DAMY Govina Femmes Leader, ny Gender Links, i Rabeharisoa Saraha Médiatrice, ny FemWise-Africa/AWLN, i Raboanary Hanta AWLN, sy ireo vehivavy manana andraikitra sy mpitarika amina fikambanana maro.
Ho fampiharana ireo fifanarahana Iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara, araka izany, dia manamafy ny fandraisany andraikitra ny vondrona amin’ny fitandrovana ny zon’olombelona, indrindra ny maha masina ny aina sy ny fahalalahana haneho hevitra ,ary ny fandraisan’anjara ara-politika, ara-tsosialy, ary ara-toekarena ho an’ny vehivavy. “Amin’ny maha Reny, rahavavy, anabavy, vady, mpanorina ny fandriampahalemana, mpitarika amin’ny fampandrosoana mpanelanelana dia manao antso avo etoana izahay”, hoy ny fanambaran’izy ireo. Anisan’ny niantefan’izany antson’izy ireo izany ny tanora malagasy. “Tohizo ny fandraisana anjara amin’ny maha olom-pirenena amin’ny fomba tsy manome vahana ny herisetra”, hoy izy ireo. Nanome tolo-kevitra ho an’ny Mpitondra sy ireo manam-pahefana ihany koa ny fikambanana tao anatin’ny fanambarany: “asio sehatra hifanakalozana sy hifampihainona ary fandraisan’andraikitra lavitry ny herisetra”. “Vonona Izahay handray anjara feno miaraka amin’ny ankolafy isan-tokony mba handrenesana ny feon’ny vehivavy. Vonona izahay handray anjara tanteraka amin’ireo dingana samihafa famahana ny olana sy fampihavanana mba hiaina ao anaty hoavy mamiratra ny taranaka”, hoy hatrany ireo vehivavy mpitarika Malagasy.
S.S



